Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Marsa, 2020
Nilaza amim-pahadisoana ny fankatoavan'i Jamaika azy ny politisianin'i Kosovo. Fa naninona no tsy nanamarina ny media?
Nilaza ny fankatoavan'i Jamaika ny fireneny ho manana ny fiandrianam-pireneny nahazo tatitra betsaka tamin'ny media ny manampahefana Kôsôvara tamin'ny 19 febroary. Ary notsipahan'i Jamaika avokoa izany rehetra izany avy eo.
Tranga COVID-19 roa voamarina; mandray fepetra i Trinidad & Tobago
Nakatona ny sekoly, tsy avela hiantsona ireo sambo mpitondra mpizahatany, nofoanana ireo hetsika goavana satria manao ezaka hifehezana ny fiparitahan'ilay viriosy ny governemanta.
Avy any Soeda hatrany Meksika, manazava ny antony mampanjavona ny teniny ry zareo indizeny
Kilaometatra an'arivony no manasaraka an'ireo firenena Tavaratra ao Eoropa amin'i Meksika sy Pero, saingy manana toetra iraisana ry zareo, ny famotehana ny maripamantarana an'ireo vahoaka teratany ao aminy
Faly ny vondrona media ao Filipina fa nilaza ny hiaro ny fahalalahan-gazety ny orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera
"Fandresena kely izao ao amin'ny tolona ataonay ho amin'ny fahalalahan'ny gazety. Miantso ny orinasan-teknolojia rehetra izahay tsy hamela ny fotodrafitrasany ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana."
Maherifon'ny tantara antsary Indoneziana iray miady ho amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiteny baliney
"Niainga avy amin'ireo vehivavin'i Bali izay matanjaka, mafy ary kiriana tahaka ireo maherifo hafa no nananganana ilay maherifo Luh Ayu Manik. "
Nanohina ny mpisera ho mpanavakava-bolonkoditra ny lohatenim-baovaon'ny France24 momba ny COVID-19 aty Afrika
Nahagaga ny manam-pahaizana sasany ny trangana COVID-19 vitsy aty Afrika, araka ny voalazan'ny France24. Maro ny mpisera no nahatsapa ity vaovao ity ho endrika hevi-draikitra momba an'i Afrika ho toy ny lasibatry ny aretina.
Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India
Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.
Poeta fidjiàna i Peter Sipeli, mitolona ho an'ny zon'ireo LGBTQ+ amin'ny alàlan'ny fitantaràna
« Tiako hitodika kokoa amin'ny maha-olona io fifampiresahana io ary hitantara ny hirifiry tsapantsika, ny fanilikilihan'ny fiarahamonina, hamaha ny zavatra rehetra mba hahafahan'ny olona mitondra ny fijeriny ao anatiny. »
Antsary: #8M Ny valo marsa nanerana an'i Amerika Latina
Mihoatra ny iray tapitrisa ny vehivavy nanohitra ny herisetra atao amin'ny vehivavy nanerana an'i Amerika Latina.
‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena
Any Dehli Avaratra Atsinanana, niteraka fahafatesan'ny sivily miisa 17 farafahakeliny ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana sy mpanohitra ny lalànan'ny zom-pirenena. 150 mahery ny olona naratra.