Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Salohy Randriafanomezantsoa · Mey, 2019

imailaka Salohy Randriafanomezantsoa

Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Mey, 2019

Nampiseho tsy nahy ny fahorian’ireo mpitsoa-ponenana any Japana ny Sampandraharaha misahana ny fifindra-monina ao Tokyo

Tsy ny graffiti loatra no nokendren'ilay sioka nopaingorina fa ireo tsikera momba ny fomba fampijaliana ireo mpitsoa-ponenana, mpiasa tsy manana taratasy ary ireo olona notanan'ny sampandraharahan'ny fifindra-monina hafa.

Meksika: voalaza fa maty ireo mpianatra tsy hita popoka tao Ayotzinapa, nipoaka ny hatezerana teny an-dalambe

Nanambara i Jesus Murillo Karam fa maty teo ambaanin'ny fibabohan'ireo mpikambana miisa telo avy amin'ny andian-jiolahy ireo mpianatra tsy hita. Saingy tsy fantatra ny razana ary namerina ny teniny ireo Meksikana, Ya me canse (reraka aho), mba hanehoana ny hatezeran'izy ireo.

Mahatsiaro ny faha-30 taonan'ny vonoan'olona 4 Jona tany Beijing ny tetikasan'ny fampitam-baovao ao Hong Kong

"Navadika ny zava-misy [...] Tsy misy mpanao gazety tokony hamela izany hitranga. Tsy hamerina hitantara ny voina ihany izy ireo fa hilaza ny tsikariny taorian'ny fandinihana momba izany ihany koa. Izany no adidin'ny vavolombelona tsirairay tamin'ny tantara."

Venezoela: Nahafatesana olona miisa telo ny hetsi-panoherana ary nihamafy ny fandrahonana ny fampahalalam-baovao

Manao fihetsiketsehana mba hitakiana ny famotsorana ilay mpianatra nosamborina tamin'ny hetsi-panoherana teo aloha izay nifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana sy ny tsy fahampian-tsakafo ny Venezoeliana. Voarara tsy hitatitra ny hetsi-panoherana ny fampitam-baovao.

Venezoela: Mpisera Facebook notànana noho ny fandefasana sary “manakorontana” 

Roa andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Venezoela, nosamborin'ny manampahefana i Andrés Rondón Sayago izay voalaza fa nanaparitaka ny sarin'ireo biletàm-pifidianana nodorana. Nilaza ny manampahefana fa nalaina nandritra ny fifidianana ny taona 2007 ireo sary  ireo fa tsy tamin'io fotoana io. Voampanga ho nizara ny sary tamin'ny "fikasana hanakorontana" i Rondón...

Lasa tanjon'ny tovovavy any amin'ny faritra an-tendrombohitra avaratr'i Azerbaïdjan ny baolina kitra

Toerana mahantra iray mpandala ny nentim-paharazana i Shaki , saingy lasa toy ny herin'ny firenena ny ekipa mpilalao baolina kitra vehivavy manan-talenta ao an-tanàndehibe.

Sambany tany Israely no voasakana ny tranonkala filokana amin’ny Aterineto

Nanome baiko ny mpamatsy tolotra Aterineto rehetra tao amin’ny firenena ny polisy Israeliana mba hanakana ny fidirana amin’ny tranonkala maromaro manao filokana an-tserasera,

Mandrakitra zavakanto an-dàlambe manerana an'i Amerika Latina ity tetikasa avy any Arzantina ity

Teraka nandritra ny krizy ara-toekarena Arzantiniana teo anelanelan'ny taona 1998 sy 2002, nanomboka liana tamin'ny valinteny hita maso sy ara-javakanto momba ny krizy ny Arte Callejero.