Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Febroary, 2022
Tsy tsotra toy ny tsinaim-balala ny lahateny Rosiana momba ny ady ao Okraina
Na dia toa maneho ny fomba fiteny rosiana aza ny feon'i Putin dia miteny ho an'ny tenany ihany izy. Miovaova be ny fomba fijerin'ny Rosiana momba ny zava-misy ao Okraina sy ny fanafihana ara-tafika ataon'i Rosia.
Any Zeorzia, enim-bolana taorian'ny nahafatesan'ilay mpanao gazety, nilaza ny fisian'ny fatran-java-mahadomelina diso tafahoatra taminy ny manampahefana
Tamin'io andro io ihany, nilaza ny manampahefana fa maty noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra i Lashkarava ary nampidirin’ny UNESCO tao anaty lisitry ny mpanao gazety nisy namono ny taona 2021 ny anaran'i Laskharava-
Nomelohin'ny Fitsarana ao Krimea bodoin'i Rosia higadra enin-taona an-tranomaizina ilay mpanao gazety mahaleotena
Notazonina tao Crimea i Vladyslav Yesypenko tamin'ny volana Marsa 2021 noho ny fiahiahiana azy ho nanangona vaovao ho an'ny fitsikilovana Okrainiana, fiampangana nolavin'ilay mpanao gazety. Voalaza fa niaritra fampijaliana izy raha tany am-ponja.
Songadina Global Voices Janoary 2022
Ankoatra ny famokarana tantara, nivoaka avy any amin'ny toerana samihafa ny GVers tamin'ity volana ity niresaka momba ny hetsika any amin'ny firenena toa an'i Kazakhstan sy Shina, nanao tononkalo, ary namoaka izany!
Voasakana tsy hiditra tao Mozambika ny teratany Nizeriana iray, namelona indray ny adihevitra momba ny fivezivezena aty Afrika
Mozambikana maro no nahatsikaritra ny adihevitra, izay nanameloka ny fihetsiky ny manampahefana misahana ny fifindra-monina, naneho firaisankina tamin'ilay mpandeha.
Nifidy ny hijanona miaraka amin'i Frantsa i Nouvelle-Calédonie tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy nandraisan'ny vahoaka indizeny anjara
"Tsy afaka aorina ny hoavin'i Nouvelle-Calédonie raha tsy misy ny vahoaka indizeny. Ny feo Kanak no vato fehizoron'ny lahatra iraisan'i Nouvelle-Calédonie."