Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Oktobra, 2019
Fantaro i Farhad Shafitul Kabir, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 29 Oktobra ka hatramin'ny 4 Novambra 2019
Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Farhad Shafitul Kabir, ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 29 Oktobra ka hatramin'ny 4 Novambra 2019. Hiresaka momba ny fiteny Sylheti Nagri izy.
Mbola any am-ponja ilay mpanao gazety Nizeriana Omoyele Sowore noho ny fiampangana namboamboarina tamin'ny famadihana tanindrazana sy ny fanevatevana ny filoham-pirenena
Mahita ny fitazonana mitohy an'i Omoyele Sowore sy ny fiampangana hanenjehana azy ho fanamelohana tsotra fotsiny ny mpanohitra ara-politika any Nizeria ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Gazety aostraliana manohitra ny lalànan'ny governemanta momba ny tsiambaratelo amin'ny alalan'ny sivana ny lohatenim-pejiny
"Saingy miaina anatin'ny tahotra fiampangana heloka bevava ny mpanao gazety sy ny mpitsikera any Aostralia, amin'ny fanafihana ataon'ny polisy sy ny ady ara-pitsarana izay mandrahona ny asan'izy ireo sy ny fahalalahan'izy ireo manokana."
Mikasa ny hanakatona ny ONG mpiaro ny zon'olombelona ela niainana indrindra ao amin'ny firenena ny farany havanana ao Bolgaria
Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana nanomboka tamin'ny taona 2007, nivadika ho farany havanana i Bolgaria tamin'ny taona 2017 raha niara-dia niaraka tamin'ny fiaraha-mitantan'ny antoko nasionalista madinika ny antoko afovoany-havanana GERB an'ny Praiminisitra Borisov.
Niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy ny mariazy mipoapoaka nataon'ny fianakavian'ny mpanao politika any Angola
Mariazin'i Lizandra Dias dos Santos, zanakavavin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena ao Angola, sy i Fernando Coelho da Cruz, zanak'anadahin'ny vadin'ny filohan'ny repoblika no natao teto.
Nesorin'ny Google tao amin'ny Play Store ny lalao miantsehatra amin'ny fihetsiketsehana tao Hong Kong
Manome ny antsipirihany momba ny toe-draharaha politika izay mitarika ny fihetsiketsehana miaraka amin'ny sarintany misy ny toerana hitrangany ao Hong Kong ilay lalao finday antsoina hoe "Ny Revolisiona amin'ny Androntsika".
Niteraka resabe ny fijoroan'ny filohan'i Trinite sy Tobago amin'ny resaka sipa
Tsy mbola manambady ara-dalàna? Aza manantena ny sipanao hahazo fanasana amin'ny hetsika ao amin'ny Lapan'ny Filoham-pirenena - raha tsy hoe angaha hiova amin'ny fanapahan-keviny ny Filoha Weekes momba ny "vanim-potoana Victoriana"
Nolavin'ny mpanara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety toy ny ‘setroka’ ny '70 Taonan'ny Fivoaran'ny Zon'olombelona ‘ tany Shina
Nitsipaka ny taratasy ofisialy avy amin'i Shina ka nilaza ny zon'olombelona ho toy "setroka" natao hanafenana ny "fandraketana mahatsiravina" ao amin'ny firenena amin'ny resaka zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety ny Reporters Sans Frontières.
Naverina tamin'ny toerany indray ilay mpivaro-boanjo Trinidadiana tiam-bahoaka any amin'ny fijerena lalao cricket
Nahaliana ny mpankafy lalao cricket ny resaka momba ireo mpivaro-boanjony sy ny fifanarahana fanohanana ara-bola nanomezana ny orinasa mpivarotra tsakitsaky manokana ny zony tao amin'ny fifaninanana lalao cricket tany amin'ny faritra.
Fantaro i Mulihay Talus, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 1 ka hatramin'ny 7 Oktobra 2019
Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Mulihay Talus, ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 1 Oktobra ka hatramin'ny 7 Oktobra 2019. Hizara ny ezaka ataony amin'ny fiarovana ny fiteny Sakizaya izy.