Sambany tany Israely no voasakana ny tranonkala filokana amin’ny Aterineto
(Nivoaka tamin'ny 18 Jolay 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)
http://www.middleeast-internet-monitor.com/?p=1370&lang=iw
Ny volana Jolay 2010, tao anatin’ny tsy firahirahiana tanteraka, dia nisy lahatsoratra iray navoaka tamin’ny filazana fa voalohany teo amin’ny tantarany ny polisy Israeliana no nanome baiko ny mpamatsy tolotra Aterineto (FAI) hanakana ny fidirana amin’ny tranonkalan-tserasera natokana hilokana amin’ny Aterineto. Efa nivoaka tamin’ny teny Hebreo sy ny teny Anglisy ny vaovao, ary nivoaka ihany koa tao amin’ny tranokalan’ny gazety Haaretz sy tao tamin’ny ‘’Globes’’, saingy tsy nisy fanamarihana manokana, eny fa na dia tany amin’ny tranokalam-baovao hafa aza.
Nanome baiko ny mpamatsy tolotra Aterineto rehetra tao amin’ny firenena noho izany ny polisy mba hanakana ny fidirana amin’ny tranonkala maromaro, izay avy any ivelany ny ankamaroan’izy ireo ary ahiahiana ho fananan’ny Israeliana. Anisan’izany ireo tranonkala toy ny : : http://hebrew.vcpoker.com, http://www.victorchandler.com, http://keshcard.com, http://www.stanjames.com sy http://thespinroom.com.
Miantrano ao amin’ny http://www.victorchandler.com ny ankamaroan’ireo tranonkala ireo, (hita amin’ny fiteny maro, anisan’izany ny teny Hebreo) na nifandray mivantana tamin’ny tranonkala. Nanamarika ihany koa ny tranonkala fa misy ny vokatra isankarazany, izay avy amin'ny : VC Casino, VC Live Casino, VC Games ary VC Poker ny URL. Na izany aza, mitondra mankany amin’ny tranonkala http://www.victorchandler.com avokoa ireo pejy ireo.
Nibaiko ireo mpamatsy tolotra Aterineto ny polisy mba hanakana ny adiresy IP an’ireo tranonkala voalaza ireo ao anatin’ny 48 ora. Ho azy ireo kosa, nilaza ny tsy fahafahan’izy ireo manakana ireo adiresy IP ireo ny mpamatsy tolotra Aterineto, ny tsy fananany fahefana hanery ny fanakanana goavana toy izany. Satria, naneho hevitra ireo mpisera amin’ny Aterineto (indrindra fa tany amin’ny sehatra fifanakalozan-kevitra) tamin’ny fanambarana io fepetra io, ary nifanakalo «fika» mba handinganana ny sivana mahazo ireo tranonkala ireo.
Tsy ny fahatongavan’ireo tranonkalan’ny lalao an-tserasera ao Israely ihany no nahatonga ny fihetsik’ireo polisy Israeliana fa noho ny firongatr’ity filokana an-tserasera ity ihany koa.
Telo herinandro talohan’izay, olona miisa 28 no nosamborina fa nanana fifandraisana tamin’ny roa tamin’ireo tranonkala lehibe ireo, dia ny victorchandler.com sy ny stanjames.com satria noheverina fa nizara karatra voaloa vola mialoha mitentina ampolo an-tapitrisany Shekel (vola Israeliana) mba hilokana an-tserasera ao amin’ireo tranonkala ireo izy ireo. Namidy tamin’ny sarany teo anelanelan’ny 100 ka hatramin’ny 5000 Shekel tsirairay ireo karatra ireo. Tsapa ny fitadiavana ny rafitra hafa ho solon'izany ho an’ireo mpiloka ireo taorian’ny fanakanana ny fandoavam-bola tamin’ny alalan’ny karatra fisintonam-bola tamin’ireo tranonkala tamin’ny taona 2007, araka ny baikon’ny polisy. Tamin’ny tapaky ny taona 2009, nanara-maso ny dingana anatiny arahin’ny banky Israeliana amin’ny fampiasana ny karatra fisintonam-bola amin’ny Aterineto ny polisy, ary nanararaotra nampitandrina ireo lehiben’ny banky amin’ny mety hisian’ny hetsika famotsiam-bola avy amin’ny fikambanan-jiolahy amin’ny Aterineto.
Nipoaka ny raharahan’ny filokana an-tserasera tamin’ny tapaky ny volana Novambra 2009, tamin’ny fikarohana natao tany an-tokantranon’ny olona miisa 36 noahiahiana ho mpikambana tao amin’ny tambajotran’ny filokana sy ny lalao an-tserasera miasa amin’ny alalan’ny tranonkala http://bet555.net sy http://betbet.us. Tamin’ny volana Febroary 2010, olona miisa 22 no voampanga ho tao ambadik’ireo tranonkala filokana ireo. Izay no voalohany namoahana fiampangana filokana an-tserasera natao tany Israely.
Nisy raharaha filokana iray hafa nivoaka tamin’ny fiafaran’ny taona 2009. Tao anatin’izany, hita tao anaty cybercafé iray ny milina filalaovana ary azo jeren’ny mpilalao tamin’ny Aterineto tany Isiraely sy tany ivelany. Nanao bemidina tany amin’ireo cybercafé ireo ny polisy ary nisambotra olona miisa 12. Ity no raharaha «Queen Mary»
Andro vitsy talohan’izay, navoaka ampahibemaso ny fanamelohana ny fitantanana ny tambajotra filokana amin’ny Aterineto izay niparitaka nanerana ny firenena, niaraka tamin’ny fananganana ny tranonkala an-jatony amin’ity karazany ity tany Isiraely, teo anelanelan’ny taona 2000 sy ny taona 2002. Voampanga tamin’ny famotsiam-bola sy ny tsy fandoavan-ketra ireo rehetra voakasik’izany.
Ao ambadik'ity fanentanana famongorana filokana tsy ara-dalàna ity, no ahitana indray ny orinasa filokana an-tserasera ara-dalana Isiraeliana dia ny Winner-Toto sy ny National Lottery, ireo roa ireo ihany no afaka manao ara-dalàna ny filokana amin’ny Aterineto ao amin’ny firenena, na dia any ivelan’ny Isiraely aza ny lohamilin’izy ireo. Araka ny voalazan’izy ireo, eo ho eo amin’ny 5 lavitrisa Schekel eo ny hadirin’ny filokana ara-dalàna ao Isiraely, izany hoe eo ho eo amin’ny 1,25 lavitrisa dolara Amerikana eo isan-taona, raha oharina amin'ny sehatra misy ny lalao filokana ara-panatanjahantena tsy ara-dalàna izay mihoatra avo telo heny. Tombanana fa ny fanaovana loka tsy ara-dalàna no loharanom-pidiram-bola ho an’ireo fikambanan-jiolahy any Isiraely.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...