Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Marsa, 2021
Taona maro mahafinaritra ho an'ny fihainoana, fandikan-teny, fanoratana… ary firesahana!

Miangavy anareo mba tsy hanatsoaka hevitra avy amin'ireo fitantarana "voalohany" ireo izay hanaovako topimaso. Marina tokoa fa sady feno no manankarena ireo taona lasa ireo tamin'ny lafiny rehetra. Nianatra isika sady mbola mianatra izay mampatanjaka antsika. Manana fifaliana sady miara-miasa.
Ny vovonana atrehiko voalohany!

Hatramin'ny nahatongavako tato amin'ny Global Voices (Desambra 2013) dia efa namoaka lahatsoratra sy nandika teny miisa 35 aho, izay nahatonga ahy ho ilay Mozambikana mavitrika indrindra tato amin'ny Global Voices tany amin'ny fireneko sy tany amin'ny faritra atsimon'i Afrika.
LAHATSARY: Belarosia 2020: Mbola eo am-pisintomana ?
Amin'ity andiany voalohany amin'ny andian-dahatsoratry ny Global Voices Insights ity, namerina niresaka momba ireo zava-niseho nipoaka tany Belarosia taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Aogositra 2020 ilay mpandalina ny fampitam-baovao Maryia Sadouvskaya-Komlach, ilay mpanakanto Rufina Bezlova ary ilay manam-pahaizana Gregory Asmolov.