Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Febroary, 2020
Injeniera Peroviana notolorana ny loka iraisam-pirenena tamin'ny hevitry ny galety miady amin'ny tsy fahampian-drà
Ahitana singa fototra telo ny galety izay noforonin'ilay injeniera Peroviana Julio Garay ary miady amin'ny anemia, aretina mpahazo ny efa ho antsasaky ny ankizy Peroviana.
Miroborobo ny voanio mena any Côte d'Ivoire, na dia eo aza ny tsy fisiany ao amin'ny firenena
Ao amin'ny tsena maresak'i Côte d'Ivoire, amidin'ireo vehivavy eny an-kalamanjana, ao anaty tavoahangy plastika ny menaka voanio mena. Avy any Afrika Andrefana no nihavian'ity hazom-boanio mena ity.
Fanantenana ny amin'ilay fiteny Nepali andalam-pahafatesana rehefa nindaosin'ny fahafatesana teo amin'ny faha-85 taonany ny olona farany nahay ity fiteny ity
Iray amin'ireo olona roa mahay miteny tsara ny fiteny Kusunda i Gyani Maiya. Mandalo fotoan-tsarotra tsy hay honerana ity fiteny ity noho ny fahafatesany.
Melohin'ny mpiaro ny tontolo iainana ny fanapahan-kevitry ny Sri Lankey hamatsiana fitaovam-piadiana ireo vondrona ao an-toerana hiadiana amin'ny elefanta
"Moa ve i Sri Lanka, izay manaisotra ny elefanta mahatalanjona ankehitriny ao amin'ny Harem-pirenena mba ho biby mpandravarava no ho nosy paradisa nofinofisin'ireo mpizahatany maoderina?"
Nosamborina noho ny ‘faniratsirana’ ny finoana Islamo tany Bangladesh ilay mpihira bãul Shariat Sarkar
Voampanga tamin'ny fanehoan-kevitra nandratra ny "fihetseham-po ara-pinoana" ho an'ny Miozolomana ilay mpihira baul Shariat Sarkar. Nilaza izy fa tsy misy porofo mandrara ny mozika amin'ny Islamo.
Maraoka: Lasa iraisam-pirenena ny Hip Hop
Tsy niresaka afa-tsy ny fivoahan'ny lahatsary fanadihadiana vaovao ny tontolon'ny bilaogy Maraokana - na tao an-toerana na tany ivelany - momba ny nampalaza vetivety ny sehatry ny hip hop tao Maraoka. Entin'i Jillian York amintsika ny resaky ny tontolon'ny bilaogy Maraokana momba izany.