Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Jolay, 2021
Nandray ny toerany ny praiminisitra vehivavy voalohany ao Samoa telo volana taorian'ny nandavan'ny mpitondra teo aloha ny fahareseny
"Ny fitantanan-draharaham-pitondrako dia manolo-tena hamerina ity firenena ity amin'ny toerana nofinofisin'ireo razambentsika rehefa nisalotra ny fahaleovantena izy ireo 60 taona lasa izay."
Maraoka: Polisy noratrain'ny fianakavian'ny mpanjaka
(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Tranga roa no nampisokatra indray ny adihevitra mafana rehefa nangingina am-bolana maro ny tontolon'ny bilaogy maraokana. Ilay tranga vao haingana momba ilay bilaogera nogadraina Mohammed...
Niteraka tsikera an-tserasera ny fikasan'ny tanàndehibe Shinoa handrara ireo olona tsy vita vaksiny hiditra ny toerana ho an'ny daholobe
Tanàndehibe Shinoa am-polony vitsivitsy no nametraka politika famerana mandrara ny olona tsy vita vaksiny hitsidika ny toerana ho an'ny daholobe, anisan'izany ny sekoly, ny hopitaly, ny fitateram-bahoaka ary tsenambarotra lehibe.
Fidirana amin'ny fampiasa fandraketana an-tsarintany vaovao eny ankalamanjana any Okraina
Ahafahan'ny mpisera manivana ny toerana amin'ny alàlan'ny zava-misy misongadina ihany koa izany, toy ny hoe manao ahoana ny fidirana amin'ny toerana iray, misy trano fandroana azo idirana ve ilay izy, sa misy lisitra sakafo voatokana ho an'ny olona tsy mahita tsara, na afaka hanoloana zaza.
Hetsika manoloana ny masoivoho Tseky ao Makedonia Avaratra manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra atao amin'ny Roma sy ny herisetra ataon'ny polisy
Nampahatsiahy ny fahatsiarovana ny tranga iray teo an-toerana nahitana ny polisy nidaroka ny olom-pirenena foko Roma tamin'ny volana Septambra 2020 ihany koa ny hetsika.
Niteraka resabe ny fipoahana tao amin'ny ranomasina Caspienne
Nahasarika ny sain'izao tontolo izao ny fipoahana tamin'ny 4 Jolay tao amin'ny ranomasina Caspienne. Ny volkano fotaka tao ambany rano no nahatonga ny fipoahana raha ny filazan'ny tompon'andraikitra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.