Venezoela: Nahafatesana olona miisa telo ny hetsi-panoherana ary nihamafy ny fandrahonana ny fampahalalam-baovao

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2014)

Estudiante protestando el 12 de febrero, 2014. Foto de Carlos Becerra, copyright Demotix.

Mpianatra manao fihetsiketsehana ny 12 Febroary 2014, Saripikan’i Carlos Becerra, Lisansa Demotix.

Tsikaritra teny an-dalamben’ny tanandehibe tao Venezoela ny onjam-pihetsiketsehana ny volana Febroary 2014. Nidina an-dalambe, ireo vahoaka, indrindra fa ireo mpianatra, mba hitaky ny hamoahan’ny manampahefana ireo andian-jatovo maromaro nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana teo aloha. Nitaky ny antoka ara-tsakafo (nahatratra 27% ny tsy fahampian-tsakafo) sy fiarovana ny vahoaka tsara kokoa izy ireo.

Nikendry ny ho any amin’ny biraon’ny lehiben’ny fampanoavana federaly ny filaharana, izay nokarakarain’ny mpitarika ny mpanohitra Leopoldo Lopez. Nizotra tamim-pilaminana ny fihetsiketsehana mandra-pahatongan’ny mpanao fihetsiketsehana tao afovoan’i Caracas, izay toerana nisy ny polisy misahana ny rotaka sy ny tafika mitam-piadiana avy amin’ny mpitandro ny filaminana, nisaro-tava sy nitaingina môtô ary nifehy ny faritra. Niala ny faritra ny ankamaroan’ireo mpanao fihetsiketsehana saingy nisy vondrona vitsy nijanona ka nifandona tamin’ny mpitandro ny filaminana.

Nahafatesana olona roa ny fifandonana tao Caracas : mpianatra iray sy mpikambana iray avy ao amin’ny fikambanana. Nandefa lahatsary ireo mpisera tamin’ny fotoana nitifirana bala an’i Bassil Alejandro Da Costa Frias sy ny nahafatesany.

Tonga hatrany atsinanan’ny tanandehibe ny mpanao fihetsiketsehana, ary nisy mpianatra iray hafa maty, nandritra ny alina. Nifarana tamin’ny fahafatesan’olona miisa telo sy naratra am-polony ary fisamborana ny tontolo andro.

Jóvenes protestando en Caracas el 12 de febrero, 2014. Foto de Carlos Becerra, copyright Demotix.

Tanora mpanao fihetsiketsehana tao Caracas ny 12 Febroary 2014. Sarin'i Carlos Becerra, lisansa Demotix.

Nandritra ny hetsika, anisan’izany ny taorian'ny fihetsiketsehana sy ny herisetra dia nanohy nandefa ny fandaharany mahazatra ireo fampahalalam-baovao Venezoeliana taorian’ny fandrahonan’ny manampahefana ireo fampahalalam-baovao rehetra izay nitatitra ny fihetsiketsehana. Tsy maintsy niditra tamin’ny fantsom-baovao NTN24 ireo izay nitady vaovao mikasika ny zava-nitranga.

Teo anatrehan’ireo zava-nitranga ireo, nandefa lahatsoratra tao amin’ny Facebook i Hilda Lugo Conde :

Mientras se reportan heridos graves y hasta un muerto según la agencia Reuters en la marcha de hoy en Caracas, esto es lo que se ve en las pantallas de televisión de señal abierta en el país en este momento:
1- Venevisión: telenovela En nombre del amor
2- Globovisión: las películas más taquilleras en Estados Unidos este fin de semana según NTN24
3- Canal I: Mundo Fitness
4- VTV: Diosdado Cabello en la sesión especial de la Asamblea Nacional por los 200 años de la Batalla de la Victoria
5- Televen: telenovela Las Santísimas
6- La Tele: telenovela Cada quien a su santo
7- Tves: Pocoyo

Y la radio, también, en su mundo paralelo. Ese que impone la censura, la autocensura…

Na dia nitatitra ny isan’ny naratra mafy sy ny fahafatesana mihitsy aza ny Reuters nandritra ny hetsi-panoherana tany Caracas, dia toy izao no hita tao amin’ny fahitalavi-panjakana tao amin’ny firenena amin’izao fotoana izao :
1.Venivision : Tantara mitohy ‘’En nombre del amor’’[Amin’ny anaran’ny fitiavana]
2-Globovision : Ny sarimihetsika izay malaza indrindra any Etazonia tamin’ity faran’ny herinandro ity, araka ny NTN24.
3-Canal I : Mundo Fitness [Tontolon’ny Fitness]
4-VTV : Diosdado Cabello nivory tsy ara-potoana tao amin’ny Antenimieram-pirenena ho an’ny fankalazana ny faha-200 taonan’ny Tolona ho an’ny Fandresena.
5- Televen : Tantara mitohy ‘’Las Santisimis’’
6-La Tele : Tantara mitohy ’’ Cada quien a su Santo’’
7-TVes : Pocoyo
Tratran’ny sivana, ny fanivanan-tena ihany koa ny onjam-peo .

Tamin’ny tolakandro, nilaza ny mpanao gazetin’ny fantsona NTN24, fa nanery ny orinasam-pahitalavitra ny governemanta mba hanala ny NTN24 amin’ny fifantenana ny fantsona. Minitra vitsy taty aoriana, nanjary zava-misy ny fitarainana ary tsy afaka nahita ity fantsona ity raha tsy tamin’ny Aterineto ny Venezoeliana.

Hoy i Fran Monroy tao amin’ny Twitter:

Tamin’ny 6 ora sy 17 minitra hariva, ora any Caracas, tsy nandeha intsony tao amin’ny MovistarVe ny fantsona NTN24.

Nandefa fanairana momba ny toe-draharaha i Rodrigo Blanco :

Ho an’ireo namanay any Venezoela : mpianatra miisa roa no namoy ny ainy ary nanakana ny vaovao ny governemanta. Manao famoretana ny polisy.

Estudiantes protestando en Caracas. Foto de Juan Hernandez, copyright Demotix.

Mpianatra mpanao fihetsiketsehana tao Caracas. Satin'i Juan Hernandez, lisansa Demotix.

Nametra-panontaniana momba ny demokrasia tao amin’ny fireneny i Daniel Prat taorian’ny zava-nitranga tao an-drenivohitra :

Aza manao hetsika satria hotifiriko ianareo. Aza milaza izay takiana satria hampidiriko am-ponja ianareo. Aza milaza vaovao satria hosakanako tsy ho alefa ianareo. Demokrasia mahafinaritra ! sa tsy izany ?

Na izany aza, nilaza ny tsy fiombonan-keviny tamin’ny fitakiana navoakan’i Leopoldo Lopez i Gabriel Lopez ary nampiasa ny tenirohy #LaSalida:

Tsy demokratika ny ’La salida’’[fivoahana] izay soso-kevitry ny olona sasany. Misy lalàna sy fomba ‘’hamoahana’’ ny governemanta, anisan’izany ny fitsapan-kevibahoaka. Fa tsy amin’ny fampiasan-kery.

Nifarana tamin’ny parady nasionaly ny alina, izay andro nankalazan’ny Filoha Nicolas Maduro ny andron’ny Tanora sy ny Faha-roanjato taonan’ny Tolon’ny Fandresena.

Ankoatra izay, namoaka didy fampisamborana an’i Leopoldo Lopez ny mpitsara. Io maraina io, nosavaina ny biraon’ny Antokony, Voluntad Popular ( Sitrapon’ny Vahoaka).

Tsy nijanona ny fihetsiketsehana.

Nanangona ireo vaovao sy ireo sary (tsy voamarina) tamin’ny fihetsiketsehana ny pejy Facebook Rebelion 2014 (Fikomiana 2014).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.