Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Avrily, 2020
Ahoana ny fomba iadian'ny vehivavy amin'ny herisetra any Amerika Latina ?
Malaza ratsy i Amerika Latina amin'ny taha avo amin'ny famonoana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy noho ny fanavakavahana saingy nanao hetsika ny vehivavy sy ny lehilahy.
Hisy fiantraikany amin'ny zo hanala zaza ny fihibohana any Kolombia, hoy ny mpisolovavan'ny zon'olombelona
"Tokony ahitana ireo servisy ahafahana manohy sy manome antoka ny fikarakarana ara-pahasalamana amin'ny fananahana sy ny fiterahana ireo antony manokana ireo," hoy i Selene Soto.
LAHATSARY: Ny fomba fifidianana ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana Global Voices 2020
Fanazavazavana haingana sy mahomby momba ny fomba atao amin'ny fifidianana biraon'ny filankevi-pitantanana hoavy izay manasongadina ireo kandida maherifo miaraka amin'ny feonkiran'ny sahona any amin'ny tany mafana !
Nipoaka ny hatezerana rehefa nambara fa anisan'ny hotiliana voalohany amin'ny COVID-19 ireo mpanao politika Indoneziana
"Betsaka ny olona tezitra amin'ireo parlemantera satria na dia ny mpitsabo, ny infirmiera, ny mpamilin'ny fiara mpitondra marary - ireo olona tena akaikin'ny marary - aza dia tsy atao fitiliana."
Naato ny fantson'ilay YouTuber Mozambikana rehefa avy nalaina an-keriny sy norahonana izy
Nalaina an-keriny nandritra ny 24 ora izy tany ampiandohan'ny volana Febroary talohan'ny namotsoran'ny polisy azy. Ahiana ho nanome baiko ny fakana an-keriny ilay nitonon-tena ho mpaminany antsoina hoe Joe Williams.
‘The Identity Matrix': Tetikasa vaovao ho an'ny sehatra nomerika Afrikana
Vao avy namoaka tetikasa vaovao mifantoka amin'ny tenim-pankahalana, fanodikodinam-baovao ary ny fandrahonana amin'ny sehatra nomerika Afrikana mandritra vanim-potoana mafana ara-politika ny Global Voices. Natomboka tamin'ny volana Martsa ary hifarana amin'ny volana Septambra ity tetikasa nomena anarana hoe “The Identity Matrix: Sehatra handrindrana ny fandrahonana an-tserasera amin'ny fanehoan-kevitra eto Afrika” ity....
Miomana amin'ny fahatongavan'ny valanaretina i Mozambika na dia tsy mbola nisy aza ny tranga COVID-19 voamarina
Tsy mbola nanakatona ny sisintaniny i Mozambika saingy nametraka fihibohana mandritra ny 14 andro ho an'ireo olona tonga avy any amin'ny firenena misy ny valan'aretina ary nandrara ny fivorian'olona mihoatra ny 300.