Mahatsiaro ny faha-30 taonan'ny vonoan'olona 4 Jona tany Beijing ny tetikasan'ny fampitam-baovao ao Hong Kong

Sary avy amin'ny “Mpanao gazety aho, ny fitantarako ny 4 Jona”

Nanapa-kevitra ny vondrona mpanao gazety miisa 60 ao Hong Kong handrakitra ny toe-draharaha amin'ny famoahana tetikasa fampitam-baovao marolafy “Mpanao gazety aho, ny fitantarako ny 4 Jona” ho fahatsiarovana ny fitsingerenan'ny faha-30 taonan'ny vonoan'olona tany Beijing tamin'ny 4 Jona 1989.

Efa 30 taona lasa izay no nisian'ny fisandratana sy ny fianjeran'ny Hetsika Demaokrasia tamin'ny taona 1989 (八九 民运) tany Shina. Nifarana tamin'ny famoretana mahery vaika avy amin'ny miaramila tamin'ny 4 Jona ny fihetsiketsehana demaokratika nandritra ny 50 andro izay notarihan'ny mpianatra. Nitatitra ny dosiem-panjakana etazonia notazonina ho tsiambaratelo navoaka tamin'ny taona 2014 fa ny fanombanana anatiny nataon'ny Shinoa no milaza fahafatesan'ny sivily miisa 10.454 raha kely indrindra.

Fady ara-politika ary tsy azo resahina ity tranga ity ao Shina. Nanatrika ny fiaretan-tory fandrehetan-dabozia isa-taona nandritra ny 30 taona kosa ny olom-pirenena tany Hong Kong mba ho fahatsiarovana ireo niharam-boina.

Manasongadina ny andraikitry ny mpanao gazety ho vavolombelon'ny tantara ny tetikasa “Mpanao gazety aho, ny fitantarako ny 4 Jona” ary manasongadina ny adidin'izy ireo mba hilaza ny marina sy hizara ny tsikariny:

It has been thirty years since the June Fourth Massacre. The dead remain unnamed, protesters persecuted and killers at large. Facts are being distorted and rewritten so that the young generation will never know. No journalist should let this happen; in particular those who witnessed the killings. Not only should they retell the tragedy but also their insights into it. That's the obligation of every witness of history.

Telopolo taona izay no lasa taorian'ny Vonoan'olona ny faha Efatry ny volana Jona. Tsy mbola fantatra anarana ny maty, nohenjehina ireo mpanao hetsi-panoherana ary miriaria ireo namono olona. Navadika ny zava-misy ary naverina nosoratana mba tsy hahafantaran'ny tanora ny zava-nitranga na oviana na oviana. Tsy misy mpanao gazety tokony hamela izany hitranga; indrindra ireo izay nanatri-maso ny vonoan'olona. Tsy hamerina hitantara ny voina ihany izy ireo fa hilaza ny tsikariny momba izany ihany koa. Izany no adidin'ny vavolombelona tsirairay tamin'ny tantara.

Hivoaka amin'ny endrika boky ny fitantaran'ireo mpanao gazety miisa 60 ny zava-nitranga ary hivoaka amin'ny 4 Jona 2019.  Namoaka lahatsary fanadihadiana isanandro nanomboka tamin'ny 5 May ilay hetsika. Ireto ny ampahany amin'ny tetikasa:

I Ching Cheong no mpanao gazety voalohany niresaka momba ilay zava-nitranga tao anaty horonan-tsary. 30 taona lasa izay, izy no talen'ny toniandahatsoratra lefitra tao amin'ny Wen Wei Pao, gazety notohanan'ny governemanta Shinoa tao Hong Kong. Gaga ny rehetra raha namoaka pejy fotsy ny gazety ho fanehoana ny tsy fahafaliany  taorian'ny namoahan'i Beijing ny lalàna miaramila ny 19 May 1989. Namoaka i Ching Cheong fa na dia nahatsinjo mialoha aza ny olona tahaka hazy fa hosafidian'ny taranaka antitra kokoa ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa ny “hamono olona miisa 100.000 ho takalon'ny fahamarinan-toerana mandritra ny 20 taona “, dia tezitra mafy ny efitra famoaham-baovao raha nahita ny fanambarana ny lalàna miaramila:

Avy amin'i Leung Wai Man ny lahatsary fijoroana vavolombelona iray hafa, mpanao gazety avy ao amin'ny gazety mpamoaka vaovao isan-kariva Singtao izay mbola eo am-pandraketana rakipeo tamin'izay zavatra niainany ny 3 Jona ka hatramin'ny 4 Jona:

Nandao ny sehatra famoaham-baovao i Wong Kan Tai tamin'ny volana Mey 1989, mpanao gazety iray hafa avy ao amin'ny Wen Wei Pao, ary nandeha nankany Beijing ho mpanao gazety mahaleotena mba hahafahany mandrakitra ny zava-nitranga tamin'ny fomba fijeriny manokana. Nitsidika an'i Beijing indray izy tamin'ny 1998 rehefa afaka folo taona mba hanohizany ny fikarohana ny marina. Mino izy fa tsy tapitra ny tranga ary mbola maro ny vaovao mila tantaraina .

Notohanan'ny “Orina Mpanasoa Tsy Hanadino na Oviana na Oviana ny Vahoaka” izay tarihin'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Hong Kong ny tetikasa .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.