Nisafaoka tamin'ny fanamavoan'ny vondrona fototra iraisampirenena ny CARICOM, raha i Haiti nametraka praiminisitra vaovao

Claude Joseph, izay Minisitry ny Raharaha Ivelany sy ny Finoana tao Haiti teo aloha, nandritra ny Fivoriana Manokana Virtoaly nataon'ny Filankevitra Maharitra, tamin'ny 20 May 2020. Sarin'ny filoha teo aloha Jovenel Moïse no miantona eo an-damosiny. Nandao ny toerana naha-praiminisitra vonjimaika azy i Joseph, nahafahan'i Ariel Henry nanao fianianana. Sary an'ny OEA – OAS tao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0.

Hatramin'ny 7 Jolay namonoan'ny sasany ny filoha haitiàna Jovenel Moïse, ny praiminisitra vonjimaikany tamin'izany fotoana, Claude Joseph, no avy hatrany dia nandray ny fitantanana ny firenena. Joseph no voalohany nanamafy fa maty i Moïse, nitazona toerana vonjimaka ho mpitarika tao anaty fotoana izay tsy nampahazava mihitsy ny hoe iza no miandraikitra inona. Andro roa talohan'ny nahafatesany anefa,  notendren'i Moïse ho praiminisitra fahafito teo ambany fitondrany i Ariel Henry. Tsy mbola nahavita fianianana i Henry tamin'ny fotoana nahafaty an'i Moïse, saingy tao anaty fanambaràna iray tamin'ny 20 Jolay, dia natolotra ho praiminisitra tao amin'ny firenena rehefa avy nanamafy i Jospeh fa hametraka ny fialàny.

Fanapahankevitra teraka taorian'ny tosika tamin'ny 17 Jolay nataon'ireo diploamaty iraisampirenena sasantsasany—ilay nisora-tena ho Vondrona Fototra mpanelanelana—tamin'i Henry, amin'ny maha-praiminisitra “olom-boatendry” azy, mba hanangana “governemantan'ny marimaritra iraisana iarahan'ny rehetra.” Hita ao anatin'ilay vondrona ireo solontenan'i Brezila, Kanadà, Frantsa, Alemaina, Espaina ary mpikambana maro hafa avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, Etazonia, ny Fikambanan'ireo Fanjakana ao Amerika (OAS) ary ny Firenena Mikambana (UN).  Io dia antso iray izay tsy nahafaly loatra ny Vondrom-piarahamonina ao Karaiba  (CARICOM), izay misy an'i Haiti.

Ny ampitson'io, ny 18 Jolay, tao amin'ny pejiny Facebook dia nilaza i Keith Rowley, praiminisitra ao Trinidad & Tobago fa:

Tsy fanamavoana an'i Joseph fotsiny io. Ny tena fanamavoana sy FANOMPANA tsotra izao dia ny tsy fisian'ny fitenenana na dia kely monja aza (tsy ilàna loatra izay fankatoavana amin'ny endriny samihafa any) avy amin'ny CARICOM. Haiti dia MPIKAMBANA feno ao anatin'ny CARICOM, ny mpikambana lehibe indrindra, ary ny tsy fisian'io fankatoavana sy fidirana an-tsehatra io miaraka dia lasa fanompàna ho antsika rehetra, avy amin'ireo nanendry tena ho ‘Vondrona Fototra’.

Notohizany:

Avy amin'ny asa ataontsika ihany, fiankohofana sy fandohalihana eo anoloan'ireo izay mihevitra antsika ho toy ny olona tsy mendrika sy tsy misy ilàna azy, dia tohizantsika hatrany ny fandraisantsika anjara amin'ny fikororosiantsika.

Na isika CARICOM mendrika ho hajaina, na isika mpisolelaka mendrika ny tsy fisian'ny fanajàna tahàka izany.

Hamafisiko, ho an'ireo mpiaramiasa, rahalahy sy anabaviko, fa angamba bitika isika, nefa kosa tsy tokony hanaiky velively hatao tsinontsinona sy tsy asiana lanjany.

Ireo mpitarika hafa ao Karaiba, indrindra fa ny any Antigua sy Barboda, Gaston Browne, izay filoha amperinasan'ny CARICOM, nahatsapa fa ny CARICOM dia tokony “hiroso mialoha miaraka amin'ny fanohanan'ny firaisambe iraisampirenena mba hanampiana ny vahoaka haitiàna hahita vahaolana avy eo an-toerana.”

Naverin'ireo matoandahatsoratry ny gazety sy ireo sehatry ny media sôsialy ny toerana raisin'ny CARICOM. Na ny gazety Trinidad Express, na ny diplaomaty ao amin'ny faritra, Sir Ronald Sanders, dia samy nanosoka hevitra hoe ny CARICOM dia iray amin'ireo fikambanana ivelany vitsy dia vitsy ananan'ny vahoaka haitiàna fitokisana, raha ilay mpanoratra sy mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo, Amilcar Sanatan, indray nanamarika tao amin'ny Facebook hoe:

Manara-maaso ny toedraharaha ny CARICOM ka ho hitantsika hoe hatraiza ireo vondrona aty amin'ny faritra no ho afaka hanampy, raha toa io fanampiana io ka tena iriana tokoa amin'izao fotoana izao. Ny tena tsy tianay ho hita dia ny fitomboan'ny tsy fahamarinan-toerana sy ny herisetra pôlitika bebe kokoa.

Inoan'ny rehetra fa talohan'ny namonoana an'i Moïse, ny CARICOM, sahirana mandinika ny korontana sôsialy sy savorovoro pôlitika misy ao Haiti amin'izao fotoana, dia nanantena ny hanelanelana, saingy araka ny lazain'ilay mpanao gazety ao amin'ny faritra, Wesley Gibbings, na maha-sakodiavatra aza ny fahavitrihan'ny andaniny sy ankilany, “ny fitokisana [ny CARICOM] rehefa misahana olana atrehan'ny mpikambana iray dia tsy azo tsinontsinoavina ao anatin'ny fandrafetana vahaolana, na dia ho vonjy tavanandro fotsiny aza.”

Notohizany:

[…] raha marina ny an'ny praiminisitra momba ny tsy fisian'ny fanajàna avy amin'ilay “Vondrona Fototra”, tsy tena azo raisina tanteraka kosa ny fanomezana fandikàna ny firotsahana an-tsehatra manontolon'i Haiti ao anatin'ny fandaharanasan'ny CARICOM. Tsy mpiara-dia tena azo nianteherana izy io raha resaka ny olana tao Venezoelà, ankoatra ireo fifanolanana ara-pôlitika ivelany [ary] Haiti koa dia “mpikambana mpanapaka” saingy tsy mpandray anjara “de facto” ao anatin'ny CSME [CARICOM Single Market and Economy]- Tsena sy toekarena tokana iraisana-, ary ireo olompireneny dia mitohy mitaky hatrany ny hananany fahazoandàlana (visa) hahafahany miditra any amin'ny ankamaroan'ireo firenena mpikambana anatin'ny  CARICOM […]

Taorian'ny nahafatesan'i Moïse, vao mainka nihasarotra ny toedraharaha. Na eo aza ny zavamisy hoe sarotra ho an'ireo Haitiàna any am-pielezana ny manavaka ny tena zavamisy amin'ny zavatra foronina momba ilay famonoana, iarahana manaiky fa nisafotofoto ny fotoana nitondràn'i Moïse—voatohintohin'ny fiampangana kolikoly, ny korontana sôsialy, ary ireo fitakiana ny hametrahany fialàna. Ny korontana pôlitika tao amin'ny firenena dia nitondra an'i Moïse ho eo amin'ny fahefana tamin'ny alàlana didim-pitondrana nandritra ny herintaona talohan'ny nahafatesany; tsy mbola nanao fifidianana solombavambahoaka i Haiti.

Tao amin'ny Facebook, ilay mpanoratra monina ao Jamaika, Annie Paul, nitanisa tsonga iray avy amin'ny lahatsoratra fanehoankevitra tao anatin'ny The Haitian Times, ka tao anatin'izany no nampifandraisan'i Garry Pierre-Pierre ny olana ara-pôlitika, ara-toekarena ary ara-piarahamonina sy ny rafitra mifaka lalina amin'ny resaka foko / saranga ao Haiti. Mandritra izany fotoana izany, toy ny fitohizan'ny lova mavesatra navelan'i  Moïse no iheveran'ny mpanohitra ao Haiti an'i Henry, amin'ny fiheverana azy ho saribakoly iray eo am-pelatanan'ny vondrona iraisampirenena, na dia nanisika fandarahanasa ho fampiraisam-pirenena aza i Henry .

Ny 23 Jolay no voalahatra hikarakaràna fandevena nasiônaly ho an'i Jovenel Moïse. Niverina an-tanindrazana hanatrika ny fotoana ny vadiny, Martine, izay naratra nandritra ilay fanafihana ary nentina fiaramanidina nankany Florida hotsaboina. Mbola mandeha ny fanadihadiana momba ny famonoana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.