Miteraka resabe ao Môzambika ny sarina ravin-drongony hita amin'ny zava-pisotro iray manome tanjaka

Lazaina fa amin'ilay zavapisotro dia misy sarin'ny bozaka Cannabis sativa, izay, araka ny lalàna ao amin'ny firenena, mandrisika ny fanjifàna ity karazana zavamahadomelina izay heverina ho toy ny voarara ao Môzambika ity. Sary: fanaingoana/Giovana Fleck/Global Voices

Tamin'ny 1 Jolay dia namoaka fanambaràna iray ireo tomponandraikitry ny hetra ao Môzambika, nitatitra momba ny fivezivezena sy famarotana zavapisotro iray manome hery antsoina hoe “Cannabis Energy Drink“.

Voalazan'ny antontan-taratasin'ny mpitaky hetra fa mety hosintonina tsy hoe eny amin'ny tsena môzambikàna ilay zavapisotro. Na tsy miaty marijuana aza ilay zavapisotro ary tsy manana toetoetra mampanonofy, dia mampanahy ny sasany amin'ireo manampahefana ny mety ho fandrisihan'izy io ny fanjifàna ireo zavamahadomelina tsy ara-dalàna ao amin'ny firenena.

Araka ny ambaran'ny pejy Facebook-n'ilay vokatra, efa hatramin'ny 2012 raha raha kely indrindra ilay zavapisotro no namidy tao Môzambika — na atao hoe tamin'ny 2013 aza ny lahatsoratra akaiky indrindra .

Amin'ilay zavapisotro dia ahitàna ravina Cannabis sativa, izay voalaza fa manitsakitsaka ny lalàna mifehy ny resaka zavamahadomelina ao amin'ny firenena. Lazain'ireo manampahefana fa mamporisika ny fanjifàna cannabis ilay zavapisotro, izay voarara ao Môzambika.

Ao anatin'ny fotoana izay iresahan'ireo firenena ao amin'ny Faritra Atsimo, izay misy an'i Môzambika, mba hanaovana izay haha-ara-dalàna ny marijuana no niditra ity fandraràna navoakan'ireo manampahefana ao Môzambika ity, toy izay nitranga tao Zimbaboe, tamin'ny 2018, ary tsy ela akory izay tao Zambia.

Tamin'ny 2018, neken'i Afrika Atsimo, izay mifanakaiky amin'i Môzambika, ny maha-ara-dalàna ny fampiasàna ny cannabis any amin'ireo toerana an'ny tena manokana. Nomen'ny fitsarana ao Afrika Atsimo alàlana ihany koa ny fambolena  cannabis ary namoahany didy fa ny zo hanana fiainana manokana dia ‘mitatra ivelan'ny trano’.

Tamin'izany fotoana izany, marobe ireo Môzambikàna nihetsika nanoloana ny fanaovana ny cannabis ho ara-dalàna tao Afrika Atsimo, naneho hadrohadro sy ahiahy — indrindra fa noho i Afrika Atsimo tany amin'ny faritra atsimon'i Afrika no noheverina ho ny mpanokatra be indrindra ny cannabis, nanomboka tany amin'ny fiandohan'ny 2005, araka ny fandalinana iray vaovao nataon'ny Masoivoho Iraisampirenena Mpanaramaso ny Zavamahadomelina. 

Taratasy fampahafantarana ny fandraràna ny famarotana ilay vokatra – Sampandraharahan'ny Varotra. Sary avy amin'ny fampitàna ôfisialy, 1 Jolay 2021.

Anatin'ity sahan-dresaka ity, nandefa taratasy fampahafantara ny Sampandraharaha mifehy ny varotra  ho an'ireo mpiasa sy ireo mpisahana ny ara-barotra mba tsy hanafatra intsony, ary indrindra tsy hivarotra izany karazana zavapisotro izany manomboka ny 1 Jolay 2021 teo.

Tsy mazava hoe “aiza no vokarina ilay ‘Cannabis Energy Drink‘, na dia any Pays-Bas aza no tondroin'ny tranonkala ôfisialiny ho firenena mpampiantrano.

Niteraka adihevitra teny anivon'ireo mpampiasa media sôsialy ilay fifandrohitan-kevitra. Ny sasany mahatakatra ilay fanapahankevitra, fa ny hafa indray nihevitra ilay fandraràna ho tsy araka ny tokony ho izy, indrindra fa noho ilay zavapisotro tsy miaty zavatra mampanonofy. Amin'ny teny hafa, tsy misy fiantraikany amin'ny vatan'ireo mpisotro izy io satria tsy miaty tetrahydrocannabinol (THC), ilay singa tena tomponandraikitra amin'ny fiantraikan'ny cannabis ao anatin'ny vatana.

Nisy ireo nitaky mba farafaharatsiny misy fototra siantifika ny fanapahankevitr'ireo manampahefana môzambikàna, araka ny fanehoankevitry ny profesora Celestino Joanguete:

Mbola ho apetaka hiaraka amin'ity antontan-taratasin'ny fadin-tseranana ity ny fandalinana siantifika manaporofo ny fifandraisan'antony sy vokatra ateraky ny fanjifàna ilay zavapisotro manome tanjaka, ary ny vokatra fototra enti-manamboatra azy.

Tsy takatr'i Zenaida Machada, mpanao gazety sy mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch, ilay fanapahankevitra, ary dia anaovany fampitahàna amin'ny fitaovampiadiana izay hita eo amin'ny sainam-pirenena môzambikàna:

Raràn'i Môzambika ny famarotana ny “Cannabis” energy drink satria, araka ny antontan-taratasy iray ôfisialy, dia mandrisika ny olona handray io zavamahadomelina io ilay sarina cannabis eo amin'ny kapoakany. Raha io làlan-tsaina io no arahana, angamba tokony hoheverin-dry zareo koa ve ny fandraràna ny sainam-pirenena satria mety handrisika ny olona hamono ny fisian'ilay sarina AK47? pic.twitter.com/5hSg3r6LMV

Stayleir Marroquim, mpisolovava, manana famaky mitovy amin'izany, tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook:

Se a imagem da “cannabis sativa” numa bebida energética incita, segundo uma certa entidade pública, o consumo da “cannabis”, então fico com medo do dia em que a mesma entidade pública decidir interpretar o que incita a imagem da arma AKM (mais mortífera do mundo) que está na nossa bandeira nacional.

Essa coisa de “interpretação” sempre deu muito trabalho, desde os tempos lá da primária quando estudavamos a “leitura e interpretação de textos.”

Um fim de semana energético, mas comedido, para todos.

Raha toa ny sarina “cannabis sativa” eo amina zavapisotro iray manome tanjaka ka mandrisika ny fandraisana “cannabis”, araka ny voalazan'ireo solontenam-panjakana sasany, dia atahorako indray andro any ka ireo solontenam-panjakan ireo ihany koa no handika sy hilaza izay tairin'ilay sarina fitaovampiadiana AKM hita eo amin'ny sainam-pirenentsika.
Efa asa be mandrakariva ny amin'io fomba “fandikàna” io, nanomboka tamin'ny andro nandiavana ny sekoly fanabeazana fototra nianarantsika ny “vakiteny sy fanadihadiana lahatsoratra”.

Faran'ny herinandro mavitribitrika saingy somary mangingiana ho an'ny rehetra.

Niteraka fipongarana karazana adihevitra iray hafa ihany koa ilay fanapahankevitra fandraràna ilay zavapisotro manome tanjaka, adihevitra manodidina ny fanaovana ny cannabis ho ara-dalàna.

Ataovy ara-dalàna ny rongony, miangavy
— Palloma Matusse (@pallomagpm) 5 Jolay 2021

? Ianareo ve manaiky ny hanaovana ny fampiasana ny cannabis (Suruma) ho ara-dalàna? ?

— Mulungo do Chiveve (@criticoesocial) 5 Jolay 2021

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.