An'arivony maro ireo vehivavy nanao diabe namakivaky ireo tanàna lehibe indrindra ao Tiorkia ny 1 Jolay teo, hanohitra ny fisintahan'i Tiorkia tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istambul. Nisy ny tatitra milaza ny firotsahana an-tsehatra henjana sy nahery setra nataon'ny pôlisy nanerana ny firenena.
Ny 20 Martsa 2021, nambaran'i Tiorkia ny fanapankeviny hisintaka tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istambul. Ny Fifanarahan'i Istanbul dia fifanarahana noforonin'ny Filankevitra Eorôpeàna, ary mamehy araka ny lalàna ny resaka zon'olombelona, natao hisorohana, hanenjehana, hanafoanana ny herisetra an-tokantrano, ary hampiroboroboana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy. Tamin'ny 2011 izy io no nosokafana hatao sonia ka firenena 45 no nanasonia azy.
Tamin'ny 2020 i Erdogan no naneho voalohany ny faniriany hisintaka amin'ilay fifanarahana. Ny fanapahankevitra farany kosa dia noraisina taorian'ny namborahan'ny filoha ny drafitra iray momba ny zon'olombelona nolazainy fa “hanatsara ny zo sy ny fahalalahana ao Tiorkia ary hanampy ny firenena hifanaraka amin'ny fenitra napetraky ny Fiombonambe Eorôpeàna.”
Turkish police block women as they demonstrate against Turkey's decision to withdraw from the Istanbul Convention, in Istanbul, Turkey, 01 July 2021. Photo by Sedat Suna/EPA-EFE@epaphotos pic.twitter.com/pGxzg7c4Bx
— Sedat Suna (@sedatsuna) July 1, 2021
Nosakanan'ny pôlisy Tiorka ireo vehivavy nanao hetsipanoherana ny fanapahankevitr'i Tiorkia hisintaka amin'ny Fifanarahan'i Istambul, tao Istanbul, Tiorkia, ny 1 Jolay 2021. Sary an'i Sedat Suna/EPA-EFE@epaphotos pic.twitter.com/pGxzg7c4Bx
— Sedat Suna (@sedatsuna) 1 Jolay 2021
Tao amin'ny tanàna tiorka ao Izmir, tratry ny sakan'ny pôlisy ireo vehivavy, niteraka ny hogahoga hoe “Atsangano ho an'ireo mpamono olona ny sakana, fa tsy ho an'ny vehivavy.” Nampiasain'ny pôlisy ny entona mandatsa-dranomaso no sady nodarohany ny sasantsasany tamin'io mpanao hetsipanoherana, hoy ny tatitra ny Gazete Duvar.
18.45 – İzmir… #İstanbulSözleşmesi pic.twitter.com/Shzf48DXXJ
— Ka (@kazimkizil) July 1, 2021
The police attacking the women who are there to defend their right not to be killed, protesting against Turkey’s withdrawal from Istanbul Convention. #İstanbulSözleşmesiHepimizin @MargaretAtwood https://t.co/UScvrQXw79
— Ece Temelkuran (@ETemelkuran) 1 Jolay 2021
Tsy ny angano Handmaid ity fa i Istanbul androany. Pôlisy manafika ireo vehivavy tonga teo hiaro ny zony tsy hovonoina, hanohitra ny fisintahan'i Tiorkia amin'ny Fifanarahan'i Istambul
— Ece Temelkuran (@ETemelkuran) 1 Jolay 2021
Nanandratra takelaka ireo mpanao hetsipanoherana tao afovoan'i Istambul, nivaky toy izao: “Tsy hiala vehana amin'ny Fifanarahan'i Istambul izahay. Tsy mbola tapitra ny adinay.”
Meanwhile, in Istanbul, tear gas is used this time against women marching in support of #IstanbulConvention which Turkey officially pulled out of today. https://t.co/UzcBSkS6NP
— Arzu Geybulla (@arzugeybulla) July 1, 2021
Mandritra izany fotoana izany, tao Istanbul, tamin'ity indray mandeha ity dia nampiasaina ny entona mandatsa-dranomaso hamelezana ireo vehivavy nanao diabe ho fanohanana ny #IstanbulConvention izay nisintahan'i Tiorkia tamin'ny fomba ofisialy androany. https://t.co/UzcBSkS6NP
— Arzu Geybulla (@arzugeybulla) 1 Jolay, 2021
Talohan'ilay fisintahana tamin'ny fomba ofisialy, ampolony maro ireo vehivavy avy amin'ny lafivalon'i Tiorkia no nizara lahatsarin'ny firaisankinan-dry zareo teo ambanin'ny teny faneva #istanbulsözleşmesihepimizin (Anay ny Fifanarahan'i Istambul).
İstanbul Sözleşmesi Lale'nin, İrem'in, Deniz'in, Melis’in sözleşmesi. Benim, senin, herkesin sözleşmesi. #istanbulsözleşmesihepimizin Vazgeçmiyoruz! #1Temmuzdaİsyandayız pic.twitter.com/nxQRaAyMDq
— melis alphan ♀ (@melisalphan) July 1, 2021
Nandritra ny hetsika iray nokarakaraina tamin'ny 1 Jolay, teo amin'ny lapan'ny filoha tao Ankara, ho an'ny “Drafitr'Asa Hiadiana amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy,” nanitrikitrika ny filoha Erodgan fa vonona ny firenena sy ireo mpitondra azy ny hamarana ny herisetra atao amin'ny vehivavy na eo aza ny fanapahankevitra hisintaka amin'ilay fifanarahana. “Satria tsy niaraka tamin'io fifanarahana io no nanombohan'ny ady atao amin'ny herisetra manjo ny vehivavy, tsy hitsahatra ny firotsahantsika an-tsehatra satria hoe niala tao isika,” hoy izy. Nanosoka fepetra vaovao marobe ny filoha ho solon'ilay fifanarahana, isan'izany ny famerenana mijery ireo dingana araka ny lalàna, ny fanatsaràna ny tolotra fiarovana ary ny fanangonana ireo angondrakitra momba ny herisetra an-tokantrano.
Hafa ny fomba fijery eny anivon'ireo hetsika ataon'ny fiarahamonina sivily miady ho an'ny zon'ny vehivavy ao Tiorkia. Ho an'ny hetsika We Will Stop Femicide (WWSF) “Vehivavy tiorka 300 no maty novonoina tamin'ny taona lasa, ny betsaka tamin'ireo dia ny vadiny ihany no mpamono. 171 no hita maty tanaty toedraharaha mampiahiahy,” hoy i Gülsüm Kav mpanorina ny WWSF tamin'ny The Guardian. Tamin'ity taona ity fotsiny, 130 ireo famonoana vehivavy voarakitr'ilay sehatra hatramin'ny Janoary, ary 99 ny tranga momba ireo vehivavy maty tanaty toedraharaha mampiahiahy, araka ny tatitra isambolana fanaon'ilay hetsika.
Mandritra izany fotoana izany, tsy teny an'arabe fotsiny ihany no niseho ny hetsipanoherana tamin'ny 1 Jolay.
Turkey’s brave women protest against the government’s despicable decision to withdraw from #IstanbulConvention — an international treaty that protects women from violence and abuse. We will NOT give up. Defend women’s rights. #IstanbulConventionSavesLives pic.twitter.com/5KTv2ADeuf
— Elif Shafak (@Elif_Safak) July 1, 2021
Toherin'ireo vehivavy feno fahasahiana ao Tiorkia ny fanapahankevitra tsy mendrika noraisin'ny governemanta hisintaka amin'ny #IstanbulConvention — fifanarahana iraisampirenena miaro ny vehivavy manoloana ny herisetra sy fanararaotana. TSY ho kivy izahay. Hiaro ny zon'ny vehivavy. #IstanbulConventionSavesLives pic.twitter.com/5KTv2ADeuf
— Elif Shafak (@Elif_Safak) 1 Jolay 2021
Nolazain'ny mpitondratenin'ny Departemanta Amerikana raha namaly ilay fisintahan'i Tiorkia tamin'ny 1 Jolay fa “ho an'ny ezaka iraisampirenena hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia dingana iray miverina” io fihetsika io.”
Turkey’s withdrawal from the Istanbul Convention is deeply disappointing and a step backward for the international effort to end violence against women. We urge all states to strengthen their prevention of and response to all forms of gender-based violence.
— Ned Price (@StateDeptSpox) July 1, 2021
Tena mandiso fanantenana tanteraka ny fisintahan'i Tiorkia tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istambul, ary dingana iray miverina ho an'ny ezaka iraisampirenena hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Manainga ireo firenena rehetra izahay mba hanamafy ny fiarovan-dry zareo sy ny fandraisany an-tànana ny endrika rehetran'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy.
— Ned Price (@StateDeptSpox) 1 Jolay 2021
Ny sekretera jeneralin'ny Amnesty International, Agnes Callamard, nilaza fa ilay fisintahana dia mampita “hafatra iray tsy voatandrina sy mampididoza”:
#Turkey withdraw from the #IstanbulConvention has set the clock back ten years on women’s rights. This is the tip of the iceberg: an organised campaign globally against #women rights, SRR, equality, #gender, and #LGBTIQrights. We must come together to resist further assaults. https://t.co/llLVOpMGe9
— Agnes Callamard (@AgnesCallamard) July 1, 2021
Ny fisintahan'i #Tiorkia tsy ho ao anatin'ny #IstanbulConvention dia mamerina ny famantaranora ho any amin'ny folo taona lasa, raha resaka zon'ny vehivavy. Ity no tendron'ny ranomandry: fanentanana iray karakarakaina maneranan izao tontolo izao manohitra ny zon'ny #vehivavy, SRR, ny fitoviana, #miralenta, ary ny #ZoNyLGBTIQ. Tsy maintsy miaraka isika hanohitra izay mety ho fanafihana maro hafa mbola hoavy. https://t.co/llLVOpMGe9
— Agnes Callamard (@AgnesCallamard) 1 Jolay 2021
Nisy fampakarana fitsaràna natao hampitsaharana ilay fisintahana, saingy nolavina tamin'ny herinandro lasa.