(Fanamarihana : lahatsoratra nivoaka tamin'ny Mey 2009)
Vao haingana, namoaka ny tatitra isantaonany ny Departemanta amerikana misahana ny varotra (US Trade Representative / USTR), ny Special 301, fandinihana ny fahamatoran'ireo mpiara-miombon'antoka aminy mba hanombanana indray ny fanajana ny zon'ny fananana ara-tsaina, amin'ny alalan'ireo lalàna isan-karazany ao amin'ny firenena.
Na teo aza ny ezaky ny fanjakana indoneziana mba hamaizana ireo fandikana ny zon'ny fananana ara-tsaina sy ny fanaovana hosoka ireo, nametraka an'i Indonezia ho ao amin'ny lisitry ny fanarahamaso lohalaharana, milahatra akaikin'ireo lehiben'ny mpanao hosoka sy ny fandikana ny zon'ny fananana ara-tsaina toa an'i Shina sy Rosia ny Departemanta amerikana misahana ny varotra.
Felaka ho an'ireo mpisolotena ofisialy an'i Indonezia ny fampidinana ny satan'i Indonezia ho ao amin'ny lisitr'ireo firenena ambany fanarahamaso ao anatin'ny lisitra mainty.
Asehon'ny The Jakarta Globe [amin'ny teny anglisy] ny ahiahin'ny Fanjakana manoloana ity fampidinana ity, amin'ny alalan'ny fanehoankevitr'i Mari Elka Pangestu, Minisitry ny varotra .
Manaisotra ary mamotika CD hosoka marobe etsy sy eroa ny polisy indoneziana, hetsika nasongadina ary nampitaina niaraka taminà dokadoka nataon'ny haino aman-jery tao an-toerana .
Ao an-drenivohitra, Jakarta, misy foana ireo DVD sy CD hosoka. Afaka hita isaky ny 50 metatra any amin'ny faritra malaza ao Jakarta afovoany sy Jakarta andrefana ireo ”mpivarotra mandehandeha an-dalambe”.
Mihevitra i William, ao amin'ny blaoginy Etersoul [amin'ny teny bahasa] fa tokony hijanona ao amin'ny lisitra mainty i Indonezia.
Lalu bagaimana tanggapanku sendiri? Aku sendiri akan mengatakan dengan lantang SETUJU!!
Mengapa sampai aku bisa mengatakan hal ini? Realita di lapangan memang menunjukkan kalau orang-orang di Indonesia ga menghargai karya yang dibuat oleh orang lain, mungkin karena miskin kreatifitas atau memang pengen maju dengan cara yang instan. Tapi untuk miskin kreatifitas aku sendiri merasa ga terlalu benar, karena toh banyak anak bangsa yang akhirnya bisa membawa negara ini menjadi lebih terkenal dalam hal yang positif.
[…]
Biarpun polisi bertindak untuk memberantas obat-obat palsu, DVD bajakan, atau bahkan sampai merambah ke dunia maya dengan menangkap para plagiarist artikel, tetap saja ga akan efektif selama di otak orang-orang yang hidup di negara ini hanya cara instan saja yang terpikirkan. What a shame.
Mamoaka fandrabirabiana momba ity fampidinana sata ity ny Creativesimo, blaogina vondrom-piarahamonina iray [amin'ny teny bahasa]:
Selamat buat Indonesia! Setelah merilis undang-undang informasi dan transaksi elektronik menyusul undang-undang hak atas kekayaan intelektual, lalu disusul beberapa penggrebekan sporadis – baik sekadar proyek ataupun serius – Indonesia mendapat ganjaran. Peringkatnya naik dalam daftar hitam pembajakan software, kalo dulu Watch List sekarang Priority Watch List. Huebat!
Indonesia sekarang sekelas dengan Rusia dan China dalam hal pembajakan. Tetapi: apakah pencapaian teknologi informasi kita sama dengan mereka? Jelas kalah jauh! Lalu mengapa yang kita perangi adalah pembajakan dan bukannya kebodohan atau ketinggalan
Miharihary amin'ny famoronana toerana ho anà Tale jeneralin'ny zon'ny fananana ara-tsaina eo anivon'ny Ministeran'ny fitsarana sy ny zon'olombelona ao amin'ny Repoblikan'i Indonezia ny finiavan'ny fanjakana indoneziana hanafoana ny fanaovana hosoka. Fa mbola marefo ny fahaizan'ny polisy amin'ny resaka fahitana ireo rindrambaiko tratry ny hosoka [amin'ny teny indoneziana].
Manamarika ny fanokafana ny Akademia indoneziana voalohany indrindra ho an'ny zon'ny fananana ara-tsaina ity volana Mey ity. Noforonina tamin'ny fiarahana niasa tamin'ny fanjakana japoney ilay sekoly miorina ao Depok, ao Java Andrefana, tamin'ny alalan'ny Sampandraharaha misahana ny Fiarahamiasa Iraisam-pirenenan'i Japana (JICA)..