Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Marsa, 2012
‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray
Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.
Meksika: Ireo Hetsi-Panoherana sy Fankalazana Nanamarika ny Fitsidihan'ny Papa Benoà
Nandritra ny andron'ny 23, 24, 25 ary 26 Martsa 2012, Joseph Aloisius Ratzinger (fantan-daza amin'ny anarana hoe Papa Benoà XVI), Filoham-pirenen'ny Tanàna ao Vatikana sy Papan'ny Fiangonana Katolika, no nanao...
Hampiantrano ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly lbero-Amerika “Vive Latino” Andiany Faha-13 I Meksika
[Ao amin'ny tranokala teny-Espanola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fiovana] Mitoetra ho foiben'ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly Ibero-Amerika “Vive Latino” andiany faha-13 izay atao amin'ny 23, 24, ary 25...
Meksika: Horohorontany Maridrefy 7.8 No Namely ny Tanàna
Tamin'ny 20 Martsa 2012 manodidina ny mitaotaovovonana, namely ny faritra atsimo sy afovoan'i Meksika ny horohorontany. Tsapa fa mahery kokoa ilay horohorontany tao amin'ny firenena Oaxaca, Guerrero, Morelos ary tao afovoan-tanànan'i...
Meksika: Lahatsarin'ny Horohorontany 7,8 Tsapa Tany Meksika
Ny 20 Marsa 2012, tratran'ny horohorontany ny morontsirak'i Acapulco any Meksika, izay notaterina fa teo anelanelan'ny 7,6 sy 7,8 amin'ny maridrefin'i Richter. Hatramin'izao dia tsy mbola nahenoana fa nisy ny aina nafoy. Indreto manaraka ireto ny lahatsary samihafa ahitana izay tsapan'ny any faritra samihafa ao amin'ny firenena nandritra ny hovitrovitra. Amin'ny teny espaniola avokoa ny feo.
Meksika: Tezitra Tamin'ny Kandidà Vázquez Ny Mpianatry ny Oniversite
Tokony hitandrina amin'ny fomba fiteniny amin'ny vahoaka ny kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ankehitriny ao Meksika, farafaharatsiny hatramin'ny volana Jolay 2012, hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Fahadisoana kely na fanambarana diso fandray...
Kioba: Resaka Momba Ny Kaonty Twitter an'i Yoani Sánchez
Ny 26 Febroary 2012, lahatsoratra iray ho fanehoana fomba fijery [es] nivoaka tao amin'ny gazety iray mpivoaka isan'andro ao an-tananan'i Mexico , La Jornada, no nanondro ilay Kiobana bilaogera Yoani Sánchez ho "hosoka" noho ny haavon'ny hetsika ataony sy ny lazany ao amin'ny Twitter.. Miraradraraka ny fanakianana sy ny fanohanana.
Mametraka Lalàna Fanaraha-maso Mampiahiahy i Meksika
Nametraka lalàna fanaraha-maso ankehitriny ny mpanao lalàna Meksikana , izay nanome fahafahana maimaim-poana tsy ilàna didy avy amin'ny fitsarana ny mpitandro filaminana hiditra amin'ny fanarahana ny misy ny olona iray ara-jeografika. Saika ny maro mihitsy ny nanaiky tanteraka io volavolan-dalàna io tamin'ny vato mpomba 315, mpanohitra 6 , ary tsy naneho hevitra 7. Nalefa tany amin'ny filoha izany mba ho ankatoaviny.