· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Oktobra, 2011

Meksika: Nosoniavin'ny Filoha Ilay Lalàna, Roa Taona Taorian'ny Haitrano Tao Amin'ny Toeram-pitaizana Zazakely ABC

Tamin'ny 5 Jona 2009, nisy toerana fitaizana zazakely antsoina hoe Guardería ABC kilan'ny afo ka zaza 49 no namoy ny ainy ary 76 no naratra. Nanao fanadihadiana lalina ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo mba hitadiavana izay tena meloka ary hitondra izany eo anoloan'ny Fitsaràna; ankoatr'izay dia nanohana tolo-dalàna iray mba hampivoarana ireo toeram-pitaizana zazakely rehetra any amin'ny firenena. Nosoniavin'ny Filoha meksikana izany lalàna izany (#Ley5deJunio amin'ny Twitter) taorian'ny ezaka lehibe sy mendri-pideràna avy amin'ireo mafàna fo amin'ny aterineto any Meksika.

30 Oktobra 2011

Sakafo Manerana Ny Tany Ao Amin'ny Blog Action Day 2011

Isan-taona nanomboka tamin'ny 2007 dia mampiray ireo bilaogera manerana ny tany ny Blog Action Day amin'ny firesahana mikasika olana iray manokana eto amin'izao tontolo izao. Anaty fifanotronana dia mahazo mpanaraka an-tapitrisany ireo bilaogera mpandray anjara ireo. Ary tamin'ity taona ity, ny 16 Oktobra 2011 izy ireo dia niresaka momba ny sakafo.

17 Oktobra 2011

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

16 Oktobra 2011