Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Jolay, 2016
Nahazo ny Tambajotram-pifandraisan-davitra Azy Ireo Manokana Ihany Ny Vondrom-piarahamonina Indizeny ao Meksika
Sambany teo amin'ny tantara, nahazo fahazoan-dalana hampiasa tambajotram-pifandraisan-davitra ho an'ny fokonolona indizeny ny mponina ao Mixe, Mixteco, ary Zapoteco ahafahana miditra amin'ny tolotra aterineto sy finday.
Tsy Mampilendalenda Ny Meksikana Intsony Ny ‘Resaka Zavokà’
Manery ny firenena hieritreritra momba ny fomba fandaniam-bolan'ny olona amin'ny sakafo ny krizy ara-toekarena ao Meksika, ary nanjary resaka mahasosotra ny fiakaran'ny vidin'ny zavokà.
Ao Meksika, Manohitra Ny Herisetra Andalambe Amin'ny Fombany Ireo “Zanakavavin'ny Herisetra”
Vehivavy Meksikana telo no manohitra ny herisetra andalambe izay mianjady amin'ireo vehivavy, miaraka amin'ny fanahy sy ny rock punk.
Alemaina sy Meksika: Fiombonana Ho An'ny Hoavy
Ny "Taona kambana" eo amin'i Alemaina sy Meksika dia entina andrisihana ny fifanakalozana eo amin'ny roa tonta sy ireo fifandraisana misy eo amin'ireo firenena roa ireo.
Vehivavy Mifindra Monina Misedra Sy Miezaka Mitraka Amin'ny Herisetra Ara-nofo Mandritry Ny Fandehanana Mankany Etazonia
Araka ireo tatitra sasany, voaolana ny 80% n'ireo vehivavy avy any Amerika Afovoany manandrana ny hiampita an'i Meksika.
Ny Famoahana Vokatra Taorian'ny Fifidianana Ny Taona 2016 Tao Meksika
Tao Meksika, nivoaka ho any amin'ny toeram-pifidianana hifidy izay ho governora teo an-toerana ireo mpifidy ary maha-ratsiratsy toerana ny antoko eo amin'ny fitondrana raha ny vokatra vonjimaika voalohany.
Natiora, Maha Olona, Ary Zavatra Hafa ianaranao Amin'ny Fanaovana Horonantsary Famakafakàna Any Meksika, Eo Imoron'ny Reniranon'i Usumacinta
Vehivavy Espaniola, mpanao horonantsary famakafakàna, nanaraka ny tantaran'ireo mpikambana roa tao amin'ny vondrom-piarahamonin'i El Remolino, izay ahitàna làlana manokana, ady amin'ny natiora, ary fifikirana amin'ny maha-izy azy ara-pananahana.