Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Jolay, 2014
“Atsimon'ny Atsimo”: Mozika Malalaka – Fivoriana!
Efa manomboka ireo tetikasa nahazo vatsy 2014 avy amin'ny Rising Voices. Hohenointsika amin'ny alalan'ny lahatsoratra bilaogy isam-bolana ny fandroson'ireo. Ny tetikasa "Atsimon'ny Atsimo" ao Mérida, Meksika no hanomboka izany, izay hiara-hiasa amin'ireo mpitendry mozika ao an-toerana sy hizara ireo mozika ao amin'ny aterineto, anisan'izany ireo hira amin'ny teny indizeny.
Tolona Hisian'ny Fahalalahana Ety Anaty Aterineto Ao Meksika
Manohy ny fanoherany ny lalàna momba ny fifandraisan-davitra midadasika ao amin'ny fireneny ny vahoaka Meksikana, lalàna izay mety manohintohina ny fahalalahana haneho hevitra , fiainana manokana ary ireo zo fototra ety anaty aterineto.
Ankoatra Ny Lohatenin'ny Mondialy: Tsy Manana Fisainan'Ekipa i Iran, Fa Feno Izany Kosa Ny Avela Ao Brezila
Tsy maintsy mahafantatra zavatra bebe kokoa noho ny football fotsiny ianao raha te-hahatakatra ny fandehan'ny fiadiana ny amboara manerantany. Manolotra ny mahazava-dehibe ny resaka fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona manodidina ny lalao i Deji Olukotun.