Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Novambra, 2010
Amerika: Tsiaro an'aterineto mpifindra monina 72 tratran'ny famonoana faobe
Taorian'ny roa volana farany teo, dia nanangana tetikasa amin'ny alalan'ny aterineto ilay mpanao gazety fanta-daza Alma Guillermoprieto vokatry ny famonoana olona miisa roa amby fitopolo niseho tao amin'ny firenena Meksikan'i Tamaulipas tamin'ny volana Aogosotra taona 2010. Ny 72migrantes.com dia vohikala natao hanehoam-pahatsiarovana an'ireo mpifindra monina novonoina ho faty.
Chiapas: fisamborana tsy misy didy natao tamina mafàna fo amin'ny Rindrankajy Malalaka (Logiciel Libre)

Chiapas no mpisava làlana tamin'ny fampiasàna ny zoto an-tserasera dizitaly tamin'ny hetsika sosialy be mpahalàla. Tamin'ny 1994 izy no nanomboka niaraka tamin'ny hetsiky ny Zapatista ary mitohy hatrany ho fitaovana fanomezana hery ireo mpihoko. Manome safidy vaovao ho an'ny haino amanjery dizitaly - gazety an-tsoratra sy fampitam-peo izy - manampy ireo Chiapanecos handrafitra ny rindrankajiny azy manokana izy - manna hatramin'ny hackerspaces ry zareo ao anatin'nyu vondrom-piarahamoniny mahaleotena toy ny Oventic sy ny Tzajala - ary mitombo hatrany foana ny vondrom-piarahamonin-dry zareo araka izay azonao jerena ao amin'ny Chiapatuit, Fedora sy ny vondrom-piarahamonin'ny rindrankajy malalaka (Logiciel Libre)
Meksika: Fankalazàna ny Andron'ny Maty
Fotoana iray miavaka sy mifono misitery ny Andron'ny Maty fankalàzan'ny Meksikana isan-taona. Nefa inona tokoa moa no zava-mitranga mandritra io andro io? Nahoana no tena manan-danja be amin'ny fianakaviana Meksikana io andro fitsaharana io?