Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Novambra, 2014
Midina An-Dàlamben'i Mexico Ireo Mpanohitra Hitakiana ny Fihetsehana Manoloana Ireo Mpianatra Tsy Hita Tany Amin'i Ayotzinapa
"Na iza na iza mitana azy dia homeko azy ireo ny taniko ho takalon'ny famerenana ny zanako velona amiko". Olona an'aliny no nanao diabe ho an'ny Andro Eran-tanin'ny Hetsika ho an'i Ayotzinapa.
GV Face: Mitady Ny Rariny Hoan'ireo Mpianatry #Ayotzinapa Nanjavona Tao Meksika
Amin'ity lahatsary hangout ity, miresaka momba izany sy ny fizarazarana eo amin'ny tontolon'ny politika sy ny sosialy ao Meksika ny ekipan'ny Global Voices ao Meksika.
Tsy Ireo Mpianatra Ayotzinapa Nanjavona Ireo Faty Hita Tao Atsimo-Andrefan'i Meksika
Tsy ireo mpianatra 43 nanjavona avy ao amin'ny Kolejy Ambanivohitra Raúl Isidro Burgos ao Ayotzinapa ireo faty hita tao anaty fanariam-pako ao Cerro Viejo, La Parota sy Cocula ao amin'ny fanjakana Meksikana ao Guerrero, voalaza fa eo am-panatontosana asa mikasika izany ireo manampahaizana momba ny fanaovana "autopsie" Arzantiniana.
Fitaovana Nomerika, Fampandraisana Anjara ireo Tanora Ao Tanzania sy Meksika Amin'ny Demaokrasia
Filan-kevitry ny Tanoran'ny Mwanza (Tanzania), #Yosoy132 (Meksika), ohatra roa amin'ny fampidirana ny tanora amin'ny fizotry ny demaokrasia izay noresahana nandritra ny Forum manerantany 2014 momba ny demaokrasia tao Strasbourg.
Meksika: Manam-pahaizana Momba Ny Mangarahara Nisy Nikasa Hitifitra Tao Amin'ny Faritry ny Oniversite
Mitohy hatrany ny herisetra ao Meksika: Notafihana lehilahy nitam-piadiana tao an-tokontanin'ny oniversite i Ernesto Villanueva, mpisolovava manokana momba ny mangarahara sy ny fahalalaham-pitenenana.
Ben'ny Tanàna Teo Aloha Sy Ny Vadiny Voarohirohy Tamin'ny Fanjavonan'ireo Mpianatra Tao An-tanànan'i Mexico
Fantatra ireo meloka tamin'ny raharaha Ayotzinapa fa i José Luis Abarca sy María de los Ángeles Pineda, nosamborina tao an-tanànan'i Mexico izy roa ireo.