Hampiantrano ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly lbero-Amerika “Vive Latino” Andiany Faha-13 I Meksika

[Ao amin'ny tranokala teny-Espanola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fiovana]

Mitoetra ho foiben'ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly Ibero-Amerika “Vive Latino” andiany faha-13 izay atao amin'ny 23, 24, ary 25 Martsa 2012 ny tanànan'i Meksika. Fetiben'ny mozika iraisampirenena ny Vive Latino, amin'ity indray mitoraka ity dia mbola hisy ny fampahafantarana lahatsary fanadihadiana, sy ny asa-tanana ary fahatsiarovana hafa hamidy.

Tamin'ny alalan'ny kaontiny Twitter, nifandray tamin'ny mpandray anjara sy ny olona liana momba ny fandehan'ny hetsika amin'ny antsipiriany ny mpikarakara ny hetsika @vivelatino.

Tamin'ny fotoana nandraisany anjara ny bilaogy Sopitas nanampy amin'ny fanomezana torolalana ho an'ireo izay mikasa hamonjy ny hetsika. Azo jerena eto amin'ny andinin-dahatsoratra manaraka eto izany soso-kevitra izany:

Recomendamos portar un buen bloqueador solar a todo momento, y sobre todo un buen rompevientos que te pueda proteger del frío y sobre todo, de la lluvia.

Por otra parte, si van acompañados, muchas veces los gustos de cada quién hará que se separen según las distintas presentaciones de las bandas. Por lo tanto, les recomendamos siempre tener un punto de encuentro, mismo que les servirá durante los tres días de festival, pues como sabemos, las líneas telefónicas suelen saturarse y complicar aún más las cosas, así que nada como tener un punto de encuentro predeterminado para regresar ahí al extraviarse o separarse de los cuates (cosa que sucede fácilmente en éste festival).

El Festival de Documentales Ambulante también estará presente con su propia carpa, aquí podrán conocer su selección.

Atoronay hevitra ianareo mba hitondra aro masoandro, ary indrindra, aro matevina mahatohitra rivotra mba hiaro anareo amin'ny hatsiaka, indrindra amin'ny orana.

Raha vondrona mpinamana marobe ianareo no hiaraka, indraindray samy manana ny tarika tiany atrehina ny olona tsirairay avy ka mety hitarika fisarahana eo amin'ilay vondrona mpinamana izany. Araka izany, manoro hevitra foana izahay mba hanana toerana iray hifanaovana fotoana ianareo ka eo hatrany ny fotoana mandritra ny fetibe telo andro. Amin'izany karazana hetsika izany, matetika ratsy be ny fifandraisana an-taroby ka mety hiteraka olana indray izany indrindra raha tsy nanondro toerana iray hiverenana  raha sanatria misy very tampoka na tafasaraka tamin'ny namana ao anatin'ny hetsika (zavatra miseho  matetika izany mandritra ny karazana fetibe tahaka izao).

Hitanao ao amin'ny trano-hevany manokana ihany koa ny Lahatsary fanadihadiana momba ny Fetibe teny rehetra teny, mba ahafahanao hifankazatra amin'ny lahatsary fanadihadiana nosivanina.

Andro maro lasa izay François (@tonifrancois) nizara sary nalainy nandritra ny fetibe teo aloha:

El viernes ya empieza el @ViveLatino, aquí les dejo los links de las fotos que he tomado en este festival desde 2006 http://bit.ly/GHVHjU

@ViveLatino nanomboka tamin'ny Zoma. Indreto rohy sasany ahitana sombina sary nalaiko tamin'ny fetibe nanomboka ny taona 2006:  http://bit.ly/GHVHjU

Poster Vive Latino 2012

Niteraka fientanam-po lehibe teo amin'ny mpankafy mozika ny Vive Latino. Toy izany ohatra i Natalia Ruiz (@WTHnatho), naneho hevitra hoe:

Ya les dije?! Mañana es el Vive Latino 2012!!!

Efa nolazaiko anao ve?! Rahampitso ny Vive Latino 2012!!!

Mpisera maro hafa, tahaka an'i Esau Granados (@esaugranados), nandefa tweet marobe mba hivarotra tapakila indray:

Me sobran 2 tickets para el #VL12 Viernes! Poquito más barato que en taquilla, llévelo llévelo! (RT POR FAVORCITO)

Manana tapakila roa  fanampiny amin'ny #VL12 amin'ny Zoma aho! Mivarotra izany mora kokoa noho ny eny ampotony, vidio izany, vidio izany! (AZAFADY!)

Mpisera hafa, tahaka an'i @pocosfologuers, nivazivazy mikasika ny fankalazana ny fetibe izay mifanojo amin'ny fitsidihana ataon'ny Papa Katolika:

¿Alguien sabe en que escenario va a estar el Papa, en el Vive Latino?

Misy olona mahafantatra ve hoe aiza ho aiza ao amin'ny Vive Latino no tokony handehanan'ny Papa?

Nisy ihany koa fanehoan-kevitra manaratsy ny fetibe. Ian (@ParachuteOnFire) nilaza ny heviny fa toa mozikan'ny varotra ny  mozika Meksikana:

La culpa no la tiene el Vive Latino sino este país y su incapacidad de producir rock de calidad

Tsy fahadisoan'ny Vive Latino izany, fa fahadisoan'ny firenena sy ny tsy fahaizany mamokatra mozika manara-penitra.

Ny hafa, tahaka an'i @Lillith_Crown izay tsy nahazo tapakila hidirana amin'ny fetibe kosa, nilaza ny fahasorenany tao amin'ny Twitter:

Ash, no quería llegar a este extremo pero… mi reino por boletos para el viernes #VL jojojoj es viernes, caray!!

Tsy te ho avy amin'izany aho, …tsy nahazo tapakila amin'ny zoma amin'ny #VL hohoho aho!!

Ny fetibe, izay eo amin'ny faha-13 nisiany, dia hahitana tarika mahery ny 110 avy amin'ny firenena maro isan-karazany tahaka an'i Meksika, Arzantina, Shily, Espana ary Angletera. Azonao jerena  eto ny filaharana rehetra ahitana izany tarika izany.

 
 
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.