Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Jona, 2013
Leo ‘Voalavo’, Manohana An'i Morris – Saka Mpifaninana Ho Ben'ny Tanàna – Ireo Meksikana
Maneho ny fanohanany an'i Morris, saka izay "mifaninana" amin'ny fifidianana ho ben'ny tanàna ny 7 Jolay izao eo ambanin'ny teny filamatra “tsy hisy voalavo intsony”, ny vahoakan'ny fanjakan'i Veracruz. Na izany aza, misy ireo sasany mihevitra fa mety hanome tombontsoa ho anà antoko politika iray manokana io hetsi-panentanana io.
VIDEO: Ny Fomba Mety Handratran'ilay Fifanarahana Trans-Pasifika Ireo Mpampiasa Aterineto
Misy lahatsary iray vaovao manazava ny mety hisian'ny voka-dratsy mampanahy ho an'ireo mpampiasa Aterineto aterak'ilay fifanaraham-barotra goavana nifanaovan'i Etazonia sy governemanta folo hafa avy any amin'ny faritra Pasifika, ilay Trans-Pacific Partnership (TPP).
#BarHeaven Sy Ny Olana Mikasika Ireo Olona Tsy Hita Popoka Tao Meksiko
Nanao fanambaràna ampahi-bemaso mikasika ny fanjavonan'ireo olona 26.121 ny biraon'ny LEhiben'ny Fampanoavana ao Meksika. Anarana raika ambiny folo izany izao no hamenoana ny lisitra taorian'ny fanjavonan'izy ireo tao amin'ilay trano fisotroana "Heaven" tao an-tananàn'i Meksiko.
TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?
Hivory mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon’antoka manerana an’i Pasifika (Trans-Pacific Partnership-TPP) i Etazonia sy ireo fanjakana folo manodidina an’i Pasifika. Hatrany am-boalohany dia nafenina io fivoriana momba ny fifanarahana io, saingy mifototra amin’ilay taratasy niparitaka sy ny tsy maha-demokratika io rafitra io dia manana ny antony rehetra tokony hanairana ny mikasika ny zon’ny mpamorona voarakitra ao anatin’io fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena io ireo mpandray anjara rehetra.