Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Jona, 2012
Meksika: Niteraka Adihevitra Ny Hetsiky Ny Tanora #YoSoy132
NIteraka fanontaniana sy hevitra teo amin'ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy ny atao hoe hetsika #YoSoy132 tsy miandany ara-politika. Iray volana eo ho eo sisa mialoha ny fifidianana Meksikana, andeha ho jerena ireo sasany amin'ny hevitra mifanohitra anatin'ireo bilaogy samihafa sy amin'ny alalan'ny feo.
Meksika, Etazonia: Iza No Hanefa Be Amin'ny Kolikoly Nataon'ny Wal-Mart?
Nidiran'angano ny iray isan'ny vondron'orinasa lehibe indrindra eran-tany taorian'ny nivoahan'ny porofo nilaza fa nanome kolikoly 24 tapitrisa dolara Amerikana ho an'ny manampahefana Meksikana ny zana-tsampany Wal-Mart ao Meksika teo anelanelan'ny 2002-2005.
Meksika: #YoSoy132, Fiandohan'ny Lohataona Meksikana?
Nanamarika ny fitsidihana nataon'ny kandida ho filoham-pirenena Enrique Peña Nieto tany amin'ny Anjerimanontolon'i Iberoamericana ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra izay efa imbetsaka no nitsipaka ilay kandida. Izy ity, niaraka tamin'ny vaovao mitanila navoakan'ny haino aman-jeriy tamin'izany fotoana, no nanjary fangaronà vanja mipoaka, izay nivoaka voalohany tao amin'ny haino aman-jery sosialy, ary ankehitriny maka ny heriny eny an-dalambe any amin'ireo tanàna lehibe Meksikana.