Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Oktobra, 2015
Niteraka Tanàna Haolo ao Meksika Ny Varotra Rongony sy Ny Ady Amin'ny Fikambanan-jiolahy
Nahatonga ireo olona marobe voatery nifindra monina nandao ny tanindrazan'izy ireo ny fikambanan-jiolahy tao Meksika sy ny herisetra tamin'izany, ka lasa "tanàna haolo" ankehitriny ny toerana.
Mety ho tsy fantatrao —raha miteny espaniola ianao dia mety miteny arabo sasantsasany ihany koa
Miteny Espaniola sy Anglisy i Joy Diaz. Raha nihaona tamin'ny mpampianatra teny Arabo ny zanany vavy izy, tsapany fa mahay teny Arabo marobe ihany koa izy.
Meksikana 3 Tsy Manaiky Hangina Noho Ny Tsy Rariny
Mopera Solalinde, poety Javier Sicilia, ary ny fianakavian'ireo 43 mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa, samy manandratra ny feony manohitra ny olan'ny herisetra sy ny tsimatimanota ao amin'ny firenena.
Tetikasan-Kira Manokana Ny Vokatra Farany Ho An'ny 43 Avy Amin'ny #Ayotzinapa Ao Meksika … Azo Trohana Maimaimpoana!
Ny mampiavaka ny tarika Santiaguero dia ny fifantohan'izy ireo amin'ny mozika ambany lisansa Creative Commons izay mitaratra ny olana ara-tsosialy amin'izao fotoana izao ao amin'ny faritra sy ny firenena. Natokana ho an'ireo mpianatra Ayotzinapa nanjavona ny sangan'asan'izy ireo farany.
Fitaovana Fikajiana Mesoamerican : Taolana Ho An'ireo Kajy Maoderina
Ny nepohualtzintzin, fitaovana iray fikajiana izay nampiasaina tamin'ireo kolontsaina Mesoamerican sasany, no efa ampiasaina ankehitriny ho sahala amin'ny fitaovana fikajiana marina tsara mba hamahàna ireo olana ara-matematika .
Hosodoko an-drindrina goavambe nahatonga ilay fokontany meksikana ho ‘Majika’
Nanao hosodoko an-drindrina mahazo trano 200 ao amin'ny zanabohitr'i Las Palmitas ny Germen Crew, koperativa iray tsy miankina amin'ny fanjakana. Nanampy tamin'ny fanamafisana orina ny fiarahamonina ity tetikasa "majika" ity.
Ayotzinapa: Valiny Sivy Mety Hisy Ho An'ireo Fanontaniana Tavela, Herintaona Taorian'ny Fanjavonan'ny Mpianatra 43
Herintaona taorian'ny fanjavonan'ny mpianatra 43 avy amin'ny ny sekoly any Ambanivohitra Manomana ho Mpampianatra - Isidro Burgos de Ayotzinapa, Iguala - mbola misy fanontaniana maro tsy voavaly mikasika ny zavatra tena nitranga.
Fantaro Ao Anaty Lahatsary Ilay Tovolahy Meksikana Manohitra Ny Transphobia (Fankahalana Olona Nanova Taovam-pananahana)
Herintaona lasa izay, nanomboka nandrakitra an-tantara ny fizotran'ny fanovana taovam-pananahana ataony ny tovolahy Meksikana iray tao anaty lahatsary amin'ny YouTube. Loharanom-baovao sy aingam-panahy ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTI izany lahatsary izany.
Fantaro i ‘Droncita,’ Meksikana Artista Voalohany Mpanao Graffiti Amin'ny Drone
Ho fankalazàna ny tsingerintaona voalohan'ilay fakàna an-keriny faobe tao Iguala, ny fanaovana graffiti ny sarin'ny filoha Meksikàna Enrique Peña Nieto no asa voalohany nataon'i Droncita, itakiana ny fametrahany fialàna