Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Mey, 2019
Meksika: voalaza fa maty ireo mpianatra tsy hita popoka tao Ayotzinapa, nipoaka ny hatezerana teny an-dalambe
Nanambara i Jesus Murillo Karam fa maty teo ambaanin'ny fibabohan'ireo mpikambana miisa telo avy amin'ny andian-jiolahy ireo mpianatra tsy hita. Saingy tsy fantatra ny razana ary namerina ny teniny ireo Meksikana, Ya me canse (reraka aho), mba hanehoana ny hatezeran'izy ireo.
Fantaro Ny Zavamisy : Ny #LeyTelecom ao Meksika (Lalànan'ny fifandraisandavitra)
Hampitombo ny fahefan'ny fanjakana ilay tolodalàna mikasika ny fifandraisandavitra ao Meksika ary hametra ny fahafahan'ireo orinasam-pifandraisandavitra hanao sivana, hanao fanarahamaso ary hanao fanavakavahana amin'ny tambajotrany tsirairay avy. Fantaro bebe kokoa ny mikasika izany ary mandraisa anjara !
Amerika: Jery todika 2008
Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.
Tanànan'i Mexico : Midina An-dalambe Manohitra ny #LeyTelecom Ireo Olom-pirenena
Tany Meksika, nanao fihetsiketsehana ho an'ny Aterineto ho an'ny daholobe izay manaja ny tsy fitanilàn'ny Aterineto sy ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpanao fihetsiketsehana.