Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Jolay, 2012
Lahatsary: ‘Ndao Hotetezintsika Ny Tsena Manerana Ny Tany
Feno loko , feo sy fiainana maro ny tsena, na aiza na aiza misy azy eto amin'izao tontolo izao. Miaraha aminay mandritra ny fitsidihanay - an-tsary sy lahatsary - ireo tsena any El Salvador, Meksika, India, Indonezia sy Thailand.
Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano
Ny Fanamby "Challenge "dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro telo avo indrindra isaky ny kaontinanta tsirairay. Lahatsary roa manaraka no ahafahantsika mahita ny fomba anaovany izany, anisan'izany ny fihanihana ny Pico de Orizaba ao Meksika.
Meksika: Manohitra ny Valim-pifidianana Ny Hetsiky ny Mpianatra #YoSoy132
Nitohy naneho ny ahiahiny amin'ny valim-pifidianana vonjimaika, andro vitsivitsy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ny 1 Jolay teo, ireo mpiandany sy mpikambana amin'ilay hetsiky ny mpianatra #YoSoy132. Nanao voady ihany koa izy ireo ny...
Mifidy Izay ho Filoham-pireneny Manaraka ny Meksikana
Nandeha tany amin'ny birao fandatsaham-bato ny Meksikana tamin'ny 1 Jolay hanao ny fifidianana ny ho filoham-pireneny. Nanomboka nizara ny heviny sy ny traikefany ihany koa ireo mponin'ny aterineto raha vao nisokatra ny birao fandatsaham-bato. Nikarakara tranokala sy tenifototra ihany koa izy ireo hanangonana ireo tatitra mikasika ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna hafa.
Meksika: Fanehoan-kevitra Ao Amin'ny Twitter Taorian'ny Fifidianana
Amin'ny fanarahana ny fizotry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, maneho ny heviny ao amin'ny Twitter ny Meksikana mikasika ny androm-pifidianana sy ny vokatra ôfisialy vonjimaika mirona ho any amin'i Enrique Peñany, mpifaninana avy amin'ny PRI (Institutional Revolutionary Party) sy ny vondrona "Compromise for Mexico".