Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Janoary, 2011
Video: Ireo mpanao kiraro erantany
Ireo horonantsary androany dia mifantoka amin'ireo mpanao asa tanana maneran'tany mbola manao kiraro amin'ny tanana. Avy any Mexika hatrany Japana: handinika ny fomba fanamboarana ireo kiraro, kiraro iva sy kapa.
Meksika: Nandefa tweet mba hiarovan-tena ilay mpihira voaendrikendrika ho nanolana zazavavikely tsy ampy taona
Nampiasa Twitter ilay mpihira ny gadon-kira 'pop' iray, teratany Meksikana ary 28 taona mba hiarovany ny tenany tamin'ny fanendrikendrehana azy ho nanolana zazavavikely tsy ampy taona anankiroa. Nanohana azy tamin'ny fandefasana tweet ireo mpankafy azy, fa ireo hafa kosa dia nanakiana ny haino aman-jery sy ny vahoaka nohon'ny fandraisan'izy ireo am-po an'iny toe-javatra nitranga iny.
Meksika: Mandefa tweets mikasika ny Herisetra amin'ny #RedMexico
Reraky ny herisetra mifandray amin'ny zava-mahadomelina, ireo Meksikana mpampiaza twitter dia mampiasa ny tenifototra #MexicoRojo ("Meksika Mena") mba hifanakalozana hevitra sy ho fanavaozam-baovao momba ny zava-mitranga tato ho ato ho an'ireo mpanaraka azy ireo.
Amerika Latina : tamberina ny taona 2010
Tamin'ny 2010 no nisy horohorontany goavana indrindra namely an'i Chili, filoham-pirenena nandray ny asany, ny filoha any Argentine teo aloha nodimandry tampoka, ny loka Nobel momba ny literatiora nomena ilay...
Meksika: Fankalazàna ny Mofomamin'ireo Mpanjaka telo
Ny 6 Janoary, mivory ny fianakaviana ary mihinana mofomamy manokana antsoina hoe "Rosca de Reyes" (midika hoe "Mofomamin'ny Mpanjaka"). Mpitoraka blaogy maro no nanoratra momba izany fomban-drazana izany, ny dikany sy ny fomba fankalazàna azy.
Meksika: Manameloka ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eo amin'ny toerana masina ny vahoaka vazimba
Manameloka ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany Kanadiana ny vahoaka vazimba Huichol avy any Mexico izay mananontanona ny iray amin'ireo toerana masin'izy ireo ary izany, raha fenoina, dia mety handindona ny fahasalamany sy ny famatsiana rano azy ireo.