Tantara mikasika ny Okraina tamin'ny Desambra, 2022
Mandrangaranga adim-baovao any Amerika Latina i Rosia
Mba hametrahany ireo fitantaràny manohitra ny Tandrefana dia araraotin'ireo media rosiàna ny hetahetan'i Amerika Latina hiala ambany vahohon'i Etazonia
‘Fa tena ahoana mihitsy no nahatonga izany?': Namoaka rakikira manohitra ny ady ilay Rosiana mpiangaly rap
Namoaka rakikira vaovao, "Maharitra dia Maharitra ny Volana Febroary." i Vladi, mpihira sangany ao amin'ny tarika rap malaza, izay voarara any Rosia ankehitriny. Manoritsoritra ny fomba maha-tsy takatry ny saina sy mampihoron-koditra ny fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina io hira io.
Ho an'ireo fetin-tsekoly amin'ny alina hiandrasana Taombaovao ao Maosko, toa hoe tsy mendrika ny mozika sasantsasany
Artista miisa 29 no hita ao anaty lisitra. Ny sasany amin'izy ireny, toa an'i Little Big sy Manizha, dia nisolo tena an'i Rosia tany amin'ny fifaninanana Eurovideo. Izy rehetra ireo dia samy nanameloka mivantana ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina avokoa.
TikToker malaza Nekoglai, mitantara ny fampijaliana nataon'ny polisy Rosiana azy
Mampiseho ny ohatr'i Nekogiai fa mety ho malaza noho ny fialamboly ho an’ny tanora mpanjohy ny lahatsary sasany misy votoaty ara-politika na ny fanoherana.
Fisainana indray ny hetsika nasiônalin'ireo Krimeàna Tatar amin'ny alàlan'ny zavamisy mahagaga
Ao anatin'ny bokiny “Ak Bure”, manolotra ny fomba fijeriny ny hetsika nasiônalin'ireo Krimeàna Tartar i Renat Bekkin, manampahaizana momba ny any atsinanana sady mpanoratra
Mihilana amin'ny fanasazian'ny rosiana sy maneso ilay fandraràna azy tsy hivezivezy i Margaret Atwood, mpanoratra ny ‘Handmaid's Tale’
Nanatevin-daharana an’ilay mpilalao sarimihetsika avy any Hollywood Jim Carrey tamin'ny fanesoana ny fandrarana ny fivezivezena mankany Rosia nampiharina tamin'izy ireo tamin'ny andian-tsazy farany nataon’i Kremlin ho an'ny Kanadiana ilay Kanadiana poeta sady mpanoratra Margaret Atwood