Tantara mikasika ny Okraina tamin'ny Febroary, 2022
Mivondrona ho fanohanana an'i Okraina ny Zeorziana raha sahirana hamaly ny solombavambahoaka
Olona an'aliny no nidina an-dalambe tao an-drenivohitra Zeorziana, Tbilisi mba hanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina.
Tsy tsotra toy ny tsinaim-balala ny lahateny Rosiana momba ny ady ao Okraina
Na dia toa maneho ny fomba fiteny rosiana aza ny feon'i Putin dia miteny ho an'ny tenany ihany izy. Miovaova be ny fomba fijerin'ny Rosiana momba ny zava-misy ao Okraina sy ny fanafihana ara-tafika ataon'i Rosia.
Nomelohin'ny Fitsarana ao Krimea bodoin'i Rosia higadra enin-taona an-tranomaizina ilay mpanao gazety mahaleotena
Notazonina tao Crimea i Vladyslav Yesypenko tamin'ny volana Marsa 2021 noho ny fiahiahiana azy ho nanangona vaovao ho an'ny fitsikilovana Okrainiana, fiampangana nolavin'ilay mpanao gazety. Voalaza fa niaritra fampijaliana izy raha tany am-ponja.
Inona ny andraikitr'ireo mpitaona amin'ny media sosialy Alzeriana tamin'ny raharaha fisolokiana iray?
Mpitaona efatra no nampiasa ny media sosialin'izy ireo mba hampiroborobo orinasa iray izay nampanantena fahafaha-mianatra ho an'ny tanora Alzeriana any Okraina, Tiorkia ary Rosia, saingy nivadika ho fisolokiana izany.
Kosovo taona 1999 sy Rosia 2021: Mampirongatra propagandy mampidi-doza ny fironana hanamboatra sary miova tokotanin-tsehatra na ‘cheapfake’
"Zava-dehibe ny mampahafantatra ny fielezan'ny fikirakirana sary novaina tokotanin-tsehatra sy ny fanekena fa mampiasa io fomba fanao io ny governemanta sasany mba hitarika fanovana ny hevi-bahoaka."