Ho an'ireo fetin-tsekoly amin'ny alina hiandrasana Taombaovao ao Maosko, toa hoe tsy mendrika ny mozika sasantsasany

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'i Monetochka

Ny Desambra 2022, nisy hafatra iray niely be hita tao amin'ireo sampana amin'ny fiteny rosiana an'ny Twitter sy Telegram. Natolotra ho toy ny dika avy amina hafatra iray lazaina fa nozaraina ho an'ireo sekoly ao Maosko ilay izy, nalefa ho an'ireo mpikarakara fetin'ny alina hiandraisana ny  Taombaovao, ary mitanisa ireo tarika rosiàna sy okrainiàna “tsy tokony” holalaovina mandritra ny lanonana tahaka izany.

Na tsy mbola mazava tsara aza ny maha-dika azy io avy amina hafatra tena izy,  marobe ireo tarika sy mozisiàna voatanisa no tafiditra anatin'ny lisitra iray izay noraràn‘i Maosko tsy ho azo atao ao Rosia ny kaonseritra ataony hatramin'ny nisian'ilay fananihambohitr'i Rosia ao Okraina, satria heverina ho “tsy tia tanindrazana” na “tsy tia Rosiàna” ireny tarika ireny.

Nisafidy hira vitsivitsy avy ao anatin'ilay lisitra misy ireo tarika “voaràra” ny Global Voices mba ho hankafizinao.

Monetochka dia mpihira iray avy ao Yekaterinburg, tanàna rosiàna misy mponina 1,5 tapitrisa ao amin'ny faritra Urals. Vao 15 taona monja izy fony izy lasa nalaza niaraka tamin'ireo hira nosoratany. Nanomboka tamin'izay fotoana izay, namoaka rakikira marobe nalaza izy. Rehef ananomboka ny fananihambohitra rosiàa tao Okraina tamin'ny Febroary 2022, nandositra niala ny firenena izy ary nilaza ampahibemaso fa manameloka ilay ady.

Ity ny lahatsariny farany misy ilay hira “Burn, burn” (Mireheta, mireheta) . Mihira izy hoe: “Mirehetra, ry fireneko, mireheta, aza vonoina ny afo,” anamelohany ny endrik'i Rosia amin'izao fotoana izao.

Iray amin'ireo tarika okrainiàna isan'ny malaza indrindra tafiditra ao anatin'ilay lisitra ny Okean Elzy.  Ny 1994 ilay tarika no tonga teo amin'ny sehatry ny mozika erantany, ary ny mpitarika azy Svyatoslav Vakarchuk koa dia sady mpikatroka pôlitika. Tamin'ity taona ity, nanao kaonseritra marobe tao Eorôpa ilay tarika ho fanohanany an'i Okraina. Indro ny hira tranainy iray nefa tena famantarana no sady amin'ny fotoanany tsara: Ny lohateniny “Without fight,” (tsy misy gidraka) ary miresaka momba ny olona iray tsy miala vehana mihitsy fa tsy maintsy mitolona.

Artista iray noraràna ihany koa ilay mpiangaly gadona rap Oxxxyimiron. Izy no iray amin'ireo Rosiàna malaza sy kitan'ny rap, ary nandray anjara tamin'ireo hetsipanoherana nataon'ny sivily. iala ny firenena ihany koa izy taorian'ny nanombohan'ilay fananihambohitra. Ity hira ity, mitondra lohateny hoe “Oida,” dia manameloka an'i Poutine sy ilay ady.

Rehefa aravona, misy artista sy tarika 29 ao anatin'ilay lisitra, ny sasany amin'izy ireny, toa an'i Little Big sy Manizha, dia efa nisolo tena an'i Rosia tamin'ny fifaninanana Eurovision tamin'ireo taona maro tany aloha. Klasika tranainy ny sasany, toa an'i Boris Grebenschikov na ny tarika mpiangaly rock DDT.  Samy nanameloka ankarihary ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina avokoa izy rehetra ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.