Fisainana indray ny hetsika nasiônalin'ireo Krimeàna Tatar amin'ny alàlan'ny zavamisy mahagaga

book cover 'Ak Bure. Crimean Tatar Saga', publishing house Blitz. Author Renat Bekkin

Fonom-boky “Ak Bure. Crimean Tatar Saga”, trano mpanonta boky Blitz. Mpanoratra, Renat Bekkin

Mazàna no tsy miraharaha ny Krimeana Tatars (Crimean Tatars) ny haino aman-jery iraisam-pirenena, manoloana ny fifandonana vao haingana misy eo amin'i Rosia sy Okraina – toy ny hoe tsy misy ifandraisany tanteraka amin’ny toe-javatra ankehitriny ireo zava-nitranga tamin'ny 8 taona lasa .

Nandritra izany fotoana izany, tsy hoe tao anatin'ilay Saikinosin'i Krimea fotsiny ireo Krimeana Tatars no nonina, fa koa niparitaka nanerana an'i Okraina.

Nitombo hery ny maripamantarana maha-izy ny mponina Krimeana Tatars ao Okraina, indrindra fa eny anatin'ny indostrian'ny sarimihetsika, toa an'i Akhtem Seytablaev na i Nariman Aliyev izay tale mpamokatra sy mpilalao lasa malaza ivelan'i Okraina. Ny maripamantarana maha-izy azy io sy ny hetsika nasionaly nataony no miha-tsikaritry ny mpikaroka manerana izao tontolo izao. Nitafàn'ny Global Voices i Renat Bekkin, tatsinanana sady mpanoratra no mpikaroka, izay nanoratra tantara noforonina sy fanadihadiana maromaro, manana zom-pirenena Tatar, ary farany saingy tsy ny kely indrindra, mpanoratra ny  Hawa-lasy ny “Ak Bure. Crimean Tatar saga. Nivoaka ny taona 2021 nandritra ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Crimean ASSR io boky io.

Noresahan'i Renat Bekin tao anatin'ny bokiny ny momba ny hetsika nasionaly nataon'ireo  Krimeana Tatars, izay manome taratra ny fifandraisana misy eo amin'ireo Kazan Tatars sy ny Krimeana Tatars. Nohamafisin'i Renat tsara fa ny “Tatars” sy “Krimeana Tatars” dia vahoaka roa samy hafa ary samy manana ny tantarany manokana, ny hoaviny ary ny kolontsainy.

Manazava ihany koa i Bekkin fa noho ny fifanoheran-kevitra misy mahakasika io tantara io dia niantehitra tamin'ny loharanon-kevitra ara-tantara izy toy ny arsiva sy ny tsiaro, ary ihany koa tamin'ireo mpisolo tena ny firenena Krimeana Tatar, toy ireo miaramila menavazan’ ny hetsika nasiônalin'ny Krimeana Tatars: Ruslan Eminov, Gamer Baev, Ayder Emirov, sy ny hafa. Ary momba ilay hetsika nasiônalin-dry zareo, mbola nandrakitra lahatsary fanadihadiana niaraka tamin'ny sasany amin'ireo miaramila menavazan'ny firenena Krimeana Tatar i Bekkin.

Mampahafantatra ny tantaran'ny taranaka telo nifandimby tao amin'ny fianakaviana iray Krimeana Tatars ny tantara “Ak Bure. The Crimean Tatar saga”. Nezahan'i Iskander (Krimeana Tatars), mpandray anjara fototra ao anatin'ilay tantara, ny namantatra raha toa ka maherifo na hoe mpamadika sy kanosa ny rainy izay nandray anjara tamin'ny hetsika nasiônalin'ny Krimeana Tatars. Tantara izay mifandray amin'ny toe-javatra lehibe nitranga tany Rosia sy ny tantaran'i Krimea.

Voasarika hanao fikarohana io tantara io i Bekkin, rehefa nahita fa samy hafa ny fahazoana sy ny fahafantaran'ny olona ny tena zava-nitranga tamin'ny hetsika Nasiônalin'ny Krimeana Tatars any amin'ny toerana samihafa any. Any amin'ny faritra andrefana raha misy ihany ireo mahalala an'i Mustafa Dzhemilev sy ny Mejlis, olo-malaza ara-politika sy ara-tantara , i Yuri Osmanov sy ny NDKT (Национальное Движение Крымских Татар – National Movement of Crimean Tatars)  kosa no mahazatra kokoa ny mponina any amin'ny sisintany atsinanana okrainiàna.

Araka izany, ao anatin'ny “Ak Bure”  dia mandinika ny làlana mety ho narahan'ireo Krimeana Tatars nandritra ny Perestroïka (ny taona 1980) ny mpanoratra — manaraka ny làlana liberaly kokoa an'ny NKDT izay lava sy voafehy kokoa, na misafidy ny làlana  fanapahan-kevitra mahery vaika kokoa toy ny nataon'ny Tandrefana tamin'ny alàlan'ny Mejlis. Ary hamafisin'ny mpanoratra fa ry zareo Krimeana Tatars  ihany no mahafantatra izay ilain'ny vahoaka.

Manazava i Renat fa noho izy tsy Krimeana Tatars, fanapahan-kevitra feno fahasahiana ny nisafidy Krimeana Tatars iray ho mpandray anjara fototra .

Renat Bekkin (RA): Raha ny mahazatra dia miala tsiny ireo mpanoratra raha vao mandray Indianina ho mpandray anjara fototra amin'ny tantara, ohatra,  nefa izy tsy teratany Indianina, na olona mainty hoditra, tsy mpisolo tena firenena izatsy na izaroa. Tsy te-hiala tsiny aho, nefa niahiahy ihany aho ny amin'ny fomba andraisan'ireo solotenan'ny firenena izay napetrako ho mpandray anjara fototra. Saingy na teo aza ny tahotro, tena noraisin'ny Krimeana Tatars tsara mihitsy ilay bokiko. Faly izy ireo fa olona avy any ivelany no niresaka momba ilay lohahevitra, saingy manenina ihany zareo hoe tsy ny iray tamin'izy ireo no nandray an-tànana izany.

Manamarika i Bekkin fa marobe ireo Krimeàna Tatars no matetika miezaka ny tsy hamoha ny ratrany mbola tsy mikatona. Na izany aza anefa, misy fifankahazoana tsy mitovy tanteraka eo amin'ireo avy ao anatiny na avy any Okraina any Andrefana, sy ireo any Atsinanana, ireo avy any amin'ireo firenena tao amin'ny Firaisana Sovietika fahiny.

”Mahagaga ihany koa ny fomba fijery ny Mejlis any Krimea, izay tsy mitovy tanteraka amin'ny any Andrefana”, hoy Bekkin. Betsaka ny olona no manana fijery ratsy momba ny Mejlis, indrindra eny anivon'ireo zokiolona.

Mba hanazavana ireny fifanoherana misy ireny, dia mila fantatra ny zava-nisy ara-tantara, tsy noraisin'ny pôlitika nasiônalin'i Okraina ho anaty kajiny ny fizakantena manokan'ireo Krimeana Tatars. Tsaroan'ireo zokiolona fa tsy namela ny Krimeana Tatars hody an-tanindrazany ireo mpitondra Sovietika tany Okraina tamin'izany fotoana izany. Kanefa, niova indray ny fahatakarana ny toedraharaha tamin'ny 2014, ary na teo aza ny krizy, marobe ireo Krimeana Tatars naka fijery sadasada manoloana ireo mpitondra tamin'izany fotoana. Marobe ihany koa ireo tanora no manana fijery ratsy an'i Rosia.

Io dia nahatonga ireo Krimeàna Tatars hiaina ny ” hiverina maty raibe, handroso maty renibe”. Ary any Okraina ihany, manjavozavo  ny toepon'ny Krimeana Tatars, tsy misy mafy orina, tsy misy ihany koa ny firaisankiana manoloana ny ”fiverenana an-tanindrazana”, izay nahazatra fony Firaisana Sovietika, fa fisaraham-bazana no misy. Samy miaina anaty tontolo samy hafa tanteraka anefa ny Krimeana Tatars ao Okraina sy ny Krimeana Tatars ao Rosia.

RA: Manana ny làlany manokana i Iskander, mpandray anjara fototra ao anatin'ilay tantara, tsy nahazo ny fomba okrainiàna izy tamin'ny 2014. Ho azy dia ny Rosiana no teny fototra — nipetraka tany Tashkent fony fahazazany izy mantsy, ary tamin'ny taona 90, nianatra tao amin'ny tontolo iraisam-pirenen'i Kiev renivohitra. Ilaina ny mahatakatra ny fomba fiaina tao Kiev tamin'izany taona 90 izany, ankoatran'ny hoe nipetrahan'ireo Okrainiana, Rosiana, Jiosy, ary ny Krimeana Tatars. Marina fa niaina tao Krimea ny fianakavian'i Iskander, fa tamin'izany, tsy laharam-pahamehana izay hahatafavoaka velona, na ny tolona hahatafavoaka velona, ny olan'ny fahatsiarovantena sy ny maripamantarana.

EL: Nahitako fampitahàna mahaliana teo amin'ny sarimihetsik'i Nariman Aliev “Evge (Homeward)” (2019)  sy ny bokinao “Ak Bure” (2019), ny famaritana, izay tsy voalaza matetika, dia ny fanambaràna an'i Krimea —  toy ny hoe ”Ny Tany Nampanantenaina”, izany hoe Isiraely ho an'ny Krimeana Tatars. Raha ny ao anatin'ny sarimihetsika dia izay no fotokevitra, nefa ny ao anaty bokinao, tsy izany no resahan'ny mpilalao fototra.

RA: Ao anatin'ny tantarako, ampiasain'i Kazan Tatar mpanohitra an'i Iskander kosa io fampitahana io — Dinar-Hazrat [anaram-boninahitra silamo]. Nanolotra hevitra iray fanolo izy ho an'ny tetikasa ideolojikany tiorka, ”Tany natao ho an'ny Tiorka i Krimea, toa an'i Israely ho an'ny Jiosy.” Miady hevitra fotsiny ihany izy ao anatin'izany. nefa tsy maintsy avahana ny tetikasa Sionista sy ny hetsika nasionaly. Na izany aza, napetraka an-kery ny tetikasa Sionista, tamin'ny alalan'ny fividianana tany, fandrombahana ara-tafika nitranga tamin'ny zato taona lasa izay, ka olona maro no ringana tamin'izany ary ny hafa niforona avy amin'ireo foko sasantsasany. Raha toa kosa ka làlana feno fandriam-pahalemana no hitan'ny hetsika nasiônalin'ny Krimeana Tatars (tamin'ny alàlan'ny NDKT), mijanona ho ilay hetsika nasiônaly, hetsiky ny vahoaka ihany izy, fa tsy fibodoana akory.

Ao anatin'ny bokiny, vahàn'i Renat ireo olana manokana mahakasika ny Krimeana Tatars ( na Tatars na Tatarstan), izay mazàna tsy hitan'ny olona avy any ivelan'ireny vondrom-piarahamonina ireny akory. Nampahafantra izy ireo filozofa Tatars, ireo mpanoratra, mpitondra, ny literatiora Tiorka sy ny fombafomba ara-panahy Silamo, ary mandritra izany fotoana izany dia esoiny ireo toetoetra manokana ananan'ny mpitondra sasany, mahazatra kokoa an'ireo ”mahafantatra”. Mandritra izany, nampian'i Renat mpandray anjara manana toetra mahagaga tao anatin'ilay tantara, toy ireo mpitandro filaminana sy ireo mpitarika ara-panahy.

 EL: mitondra antsika eny amin'ny araben'ny Kazan i Iskander (anarana ampiasaina iantsoana an'i Aleksandra Lehibe ihany koa ny ”Iskender” ampiasain'ny fiteny Tiorka), ireo toerana mahafinaritra ananany ary mampifandray ny olona samy hafa finoana sy samy hafa firazanana. Entiny mamakivaky ny tantaran'ny fianakaviany ihany koa ny mpamaky, mitety taonjato isan-karazany ary toerana samihafa izay voatokana hotsidihan'ireo fianakaviana Krimeana Tatars, tamin'ny tranga maro tsy an-tsitrapo. Afaka miresaka momba izany ve ianao?

Nanoratra aho ho an'ireo izay liana amin'ny làlana nizoran'io solotenan'ireo Krimeana Tatars io, izay niafara tany Kazan, sy ny fifaneraseràny tamin'ireo Kazan Tatars. Tsy afaka ialàko ireo lohahevitra toy ny muftiates (fanamarihan'ny mpandika: ny muftiate dia faritany iray ambany fiadidian'ny mufti – silamo mpitsara mpamoaka didy fatwa) sy ny fifandovàna, mahakasika ny hoavin'i Rosia, izay fantatra amin'ny resaka fitarihana (leaderism). Tamin'izany fotoana izany,  nanolotra ihany koa aho làlana hafa ho an'ny fivoarana ho avy, nanomboka tamin'ny nisian'ny tantaran'i Krimeana Tatars, izay afaka hisy fahagagana sy fiainana tsy misy mpitondra matanjaka. Tsy mbola nisy afaka nanilika ny vondrona Rosiana ireo mpitondra tsirairay. Ho an'ireo izay liana hanatontosa hetsi-bahoaka ao anatin'ny sahan-kevitra momba ireo vitsy an'isa eo amin'ny firenena.

Mikatona ny famoahana hevitra