Mandrangaranga adim-baovao any Amerika Latina i Rosia

Fanaingoana avy amin'ny Global Voices

Ara-tantara rehefa nifanditra i Rosia sy Etazonia, nezahan'i Rosia ny naka ny fon'ireo mpiray vodirindrina amin'itsy farany tao Amerika Latina. Ary mba hampitomboana ny dindony ao amin'izany faritra izany, raha tsy nanana fanoitra ara-toekarena manana ny lanjany i Rosia, dia nivoatra haingana be sy tamim-pahombiazana kosa ireo fantsony fanapariahana vaovao  tao Amerika Latina. 

Araka ny fikarohana nataonay tao amin'ny Anjerimanontolon'i Vilnius, Litoania nandritra ny tapny voalohany tamin'ny taona 2022,  dia nitondra anjara biriky goavana tamin'ny fomba fijerin'ireo Latinô-amerikàna ny pôlitika erantany ny Russia Today (RT) Español, Sputnik Mundo, tambajotra diplaomatikan-dry zareo Rosiàna sy ireo pôlitisiàna mpiaradia aminy, ireo nahita fianarana, ireo mpitari-kevitra, ary ireo mpampiasa kaonty sandoka ety anaty aterineto.

Voaràra ao Eorôpa ny RT Español, najoron'ny ftiondràna rosiàna tamin'ny 2009, saingy io no iray amin'ireo loharanom-baovao malaza indrindra ao Amerika Latina momba an'i Okraina. Manana mpanjohy mihoatra ny 18 tapitrisa ny pejiny Facebook – efa ho in-5 avo heny amin'ny an'ilay dika amin'ny fiteny anglisy. Taraiky any aorian'ny RT Español ireo fantson'ny media Tandrefana amin'ny fiteny espaniôla – 15 tapitrisa eo ho eo ny mpanaraka ny CNN, manodidina ny fito tapitrisa ny an'ny BBC, ary telo tapitrisa ny an'ny Deutche Welle. 

Tsy dia manana mpanjohy tahaka izany kosa ireo kaonty Twitter an'ny RT sy Sputnik izay  natsahatra amin'izao fotoana izao, nefa ireo mpampiasa aterineto sy mpiasa amin'ilay orinasa mpamokatra trolls  mpandoto rano dia mizara ny votoatin-dry zareo. Ireo kaonty hafa, toy ny kaonty Twitter Donbass Media,amin'ny fiteny espaniôla, noforonina tamin'ny Febroary 2022, tantanan'ny “Kaomity Espaniôla ho Fanampiana sy Fanohanana an'i Donbass” ary natokana ho “fandrakofana ny toedraharaha misy ao Donbass,” dia navitrika tamin'ny fitaterana ireo lazaina fa heloka bevava nataon'ny Okrainiàna tamin'ireo sivily sy ireo hetsika noho ny maha-olombelona ataon'ireo miaramilan'ny federasiôna rosiàna. Donbass Media, izay toa hoe mpirotsaka an-tsitrapo no manodina azy, dia namoaka bitsika mihoatra ny 800 ary manana mpanjohy mihoatra ny 33.000. Na izany aza, tsy mazava ny isa tena izy amin'izy rehetra ireo, satria ambany ny isan'ny “Tiana”, ny fanehoankevitra ary ny fizaràna.

Satria nanapaka hevitra ireo Tandrefana ny hibahana ny media rosiàna, dia lasa manan-danja manokana kokoa ny biraon'ireo solontena rosiàna ao anatin'ity adim-baovao ity. Mizara ny vaovaon'ny RT ireo masoivoho, manome zavatra tsy niova tànana, na mizara lahatsoratra avy amin'ireo masoivoho hafa. Midadasika be ny tambajotran'ireo mpanjohy an-dry zareo. Ohatra, ny masoivohon'i Rosia ao Meksika dia manana mpanjohy efa ho 62.000. Zaraina be mihitsy ny vaovao vokarin'ireo iraka diplaomatika. Ohatra, ny vaovao hoe efa ela be talohan'ny 24 Febroary no nanomboka ny krizy tao Okraina, ny tiana hahatongavana dia ny hilazàna fa tsy i Rosia no nanomboka ny ady, ary nozaraina efa mihoatra ny in-4.000 sy nahazoana “Tiana” efa ho 7.000 ny vaovao hoe olona 48 no maty fandoroana velona azy ireo nataon'ireo nasiônalista okrainiàna tao Odessa tamin'ny 2014, tsy nisy fanasaziana.

Misy marobe ihany koa ireo kaonty fako amperinasa ao amin'ny media sôsialy. Ohatra, ny Aprily 2011 dia nipoitra ary namoaka tsy tapaka ireo vaovao fideràna ny Rosiàna momba ny ao Okraina ny kaonty YouTube iray mampiasa ny anarana hoe Ricardo Meruano, ampiasàna ny sarin'ilay Shiliàna malaza amin'ny fampihomehezana Ricardo Meruane izay zara raha nizara lahatsarin-kira tsindraindray. 

“Tsinio ny rehetra afa-tsy i Rosia”

Ireo loharanom-baovao rehetra notanisaina etsy ambony dia mizara ireo hafatra niarahan'izy ireo namorona, na miverina mizara ireo fanambaràna ôfisialy nataon'ireo pôlitisiàna rosiàna. Na marobe aza ireo hafatra manana tanjona, dia azo atao ihany ny mamantatra vitsivitsy amin'ireo fitantarana goavana izay katsahan'i Rosia ny handetika azy ao anatin'ny fiarahamonina any Amerika Latina: ny maha-meloka ny Tandrefana sy ny Okrainiàna, ireo filazàna fankahalàna ny Rosiana ary ny fihatsaram-belatsihin'ny Tandrefana. Mifameno izy ireny, miteraka tsy fahatokiana an'i Okraina sy ireo mpiara-dia aminy ary manolotra an'i Rosia ho toy ny tena iharam-pahavoazana noho ny ataon'ny Tandrefana.

Iray amin'ireo fanazavàna naroso voalohany nampiasaina hanazavàna ny “hetsika manokana” ataon'i Rosia ao Okraina ny fitantarana ny “maha-meloka ny Tandrefana”, izany hoe ireo hafatra momba ny “fihitàrana mahery setran'ny OTAN,” ny “imperialisma Tandrefana” tsy misy fiafaràny ary i Okraina lazaina ho “saribakolin'ny Tandrefana.” Ny fihitaran'ny OTAN no iray akaiky indrindra tamin'ireo fanamarinana ilay firotsahan'ny tafika. Nandritra ny iray volana talohan'ilay fananihambohitra, ny iray isan'ny nalaza indrindra tamin'ireo fandaharanasa fanarabiana ara-pôlitika amin'ny fiteny espaniôla nataon'ny RT dia navitrika tamin'ny fanazavàna ireo “tsipika mena”-n'i Rosia. 

Tany am-piandohan'ilay ady, ny masoivohon'i Rosia ao Meksika dia nizara hafatra iray avy amin'i Sergey Lavrov, minisitra rosiàna misahana ny raharaham-bahiny, fa hoe niezaka nifampiraharaha tamin'ny Tandrefana i Rosia, saingy “lainga sy fitaka” fotsiny no nasetry izany. Rehefa vaky ny ady, matetika nandefa hafatra fohy ireo masoivoho rosiàna isankarazany nanerana an'i Amerika Latina, indrindra fa avy amin'ny Lavrov, nilazàna fa ny tanjona amin'ilay ady dia ny hanakànana ny Tandrefana (na i Etazonia) tsy hanangana tontolo fehezina firenena matanjaka tokana monja, na hanakanana ny fanjakazakan'i Etazonia. 

Singa iray ara-tantara matetika trandrahan'ny media rosiàna ny sary Nazi. Tsy tapaka ampangaina ny Tandrefana hoe manohana ireo nazis sy ireo nasiônalista hiringiriny tafasisika any anatin'ny pôlitika sy ny tafika okrainiàna, manohana ireo labôratoara famokarana fitaovam-piadaiana simika ho an'ny tafika, ary miaraka miasa amin'ireo nasiônalista okrainiàna mba hamadihana ilay firenena ho sehatra iray itolomana hanoherana an'i Rosia  – na izany amin'ny alàlan'ireo kaonty diplaomatika ôfisialy na anatin'ireo lahatsary TikTok. Ny fitantaràna ny “maha-meloka ny Tandrefana” dia nampivadiana tamin'ny iray hafa izay manome tsiny an'i Okraina ho loharano nipoiran'ny ady.

“Fankahalàna Rosiàna” ny fandraràna ireo fantsona rosiàna

Fitantaràna iray hafa ny “Fankahalàna ara-tantara ny Rosiàna” izay lasa tena nilaina tokoa rehefa nanapaka hevitra ireo governemanta tandrefana ny hanakana ireo media rosiàna mba hampiatoana ny fandisoana vaovao. Navitrika tokoa ireo iraka diplaomatika rosiàna sy ireo mpamoaka vaovao tohanan'ny rosiàna ara-bola tamin'ny fizaràna hafatra momba ireo teratany miteny rosiàna iharan'ny filam-baniny sy sotasota any ivelan'i Rosia ary ny famotehana ny kolontsaina rosiàna. Nasian-dry zareo tsindrimpeo ny hoe manakana ireo Tandrefana tsy handre ny feon-dakolosy avy amin'i Rosia momba ny zava-mitranga ny fandraràna ireo media rosiàna.

Inna Afinogenova, lefitra fahinin'ny toniandahatsoratry ny  RT Español ary mpanolotra ny fandaharana malaza fanarabirabiana pôlitika tao Amerika Latina, no ohatra iray manokana amin'ny fanapariahana io fitantaràna io. Vantany vao nanomboka ny ady, dia nomelohina mafy ireo fanakantsakànana ny RT sy ireo fantsom-baovao rosiàna hafa. Taty aoriana, nanjavona tsy hitan'ny mason'ny rehetra izy, ary nipoitra indray niaraka tamin'ny fantsona YouTube azy manokana, rehefa tsy naharenesam-peo nandritra ny iray volana. Miteny avy any Espaina, nilaza izy fa tsy te-hanohana ady mitera-pahavoazana ho an'ny sivily mihitsy, araka izany, nilaozany ny RT sy Rosia. Nandritra izany fotoana izany, niantso ny vahoaka izy tsy hino hoe tsy manan-tsiny mizaka ny ady fotsiny i Okraina, tamin'ny filazàna fa tsy afaka miteny izy hoe nanao fampielezankevitra ve sa tsia ny RT, fa nohamafisiny ny hoe ny fampielezankevitra dia zavatra ahelin'ireo media Tandrefana rehetra. 

Ny fitantaràna farany tena nanamarika dia ny “Fihatsaram-belatsihin'ny Tandrefana”, mifamatotra akaiky amin'ny  “whataboutism.” (fanilihana ny olana ho any an-kafa). Ny fanondroana an'i Okraina dia mitondra avy hatrany ho ao an-tsaina ireo fitsabahana sasany nataon'ny Tandrefana, miavaka amin'izany ny tao Iràka sy Afganistàna, ary ny nasetrin'ny Eorôpeàna ny olan'ireo mpialokaloka / mpitsoa-ponenana. Na izany aza, ireny tohankevitra ireny dia tsy natao hanampy hahatakatra ilay fifandirana, fa hanolotra an'i Etazonia ho toy ny mpanani-bohitra miezaka maka izao tontolo izao, sy ireo hetsika ataon'i Rosia ho toy ny fanoherana ny fanjakazakan-dry zareo. 

Nampiasaina ihany koa ny ohatra tamin'ny daroka baomba tao Yogôslavia nataon'ny OTAN, nankalazain'ilay Serba mpamokatra sarimihetsika Emir Kusturica. Napetrak'i Kusturica fa ny fifandonana misy amin'izao fotoana izao ao Okraina dia teraka indrindra indrindra avy amin'ny daroka baomba nataon'ny OTAN tany Yogôslavia tamin'ny 1999. Ho azy dia io hevitra io no mifàka lalina ao anatin'izay ijoroan'i Kremlin, izay milaza hoe ny fandarohan'ny OTAN baomba ny tao Serbia no heloka voalohany nataon'ny Tandrefana ary fanalàm-baràka tsy maintsy valian'i Rosia. Vao mainka io tantara io nitombo hadiry rehefa nozarain'ireo masoivoho rosiàna any Amerika Latina ny tantaran'ny ramatoa iray mpanao gazety tafavoaka velona tamin'ireo daroka baomba, nampitahaina amin'ny zavatra iainan'ireo mponina ao Donbass.

Manàko ao anatin'ireo fitantaran'i Rosia ny fijalian'i Amerika Latina.  Manosika ho amin'ny fitadiavana safidy hafa ireo fifandraisana henjana amin'i Etazonia, ny fiezahana hiala eo ambany alokalony, ny faniriana hanorina rafitra iray iraisampirenena izay voafetra ny anjara toeran'i Etazonia ao anatiny, toy izay koa ny an'ireo hery hafa mpanjanaka fahiny. Raha vao momba an'i Amerika Latina, mirona mankamin'ny fanalefahana ny feo imperialista i Rosia, hanasongadinana ny fihatsaram-belatsihin'ny hery tandrefana, ary hahatsiarovana ireo vanimpotoana maizina indrindra niarahana tamin'i Etazonia. Ny fanaovany izany dia fanodinkodinan'i Rosia ny hevi-bahoaka ao Amerika Latina ho amin'ny tombontsoany.

Tamin'ny Jona 2022 ny fikarohana no nataon'i Dr  Dr. Ieva Giedraitytė sy Benas Butrimas tao amin'ny Ivontoerana momba ny Fifandraisana Iraisampirenena ary ny Siansa Pôlitika, Anjerimanontolon'i Vilnius, Litoania. Mety efa niova ny angondrakitra farany nanomboka teo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.