Tantara mikasika ny Okraina tamin'ny Janoary, 2016
Hojeren'i Okraina Indray Ny Fiarovana Antserasera Taorian'ny Fanafihan'ny Rosiana Ny Seranam-piaramanidina Lehibe
Nilaza ny mpitondra tenin'ny minisiteran'ny Fiarovana Okrainiana fa avy amin'ireo lohamilin'i Rosia ny fanafihana antserasera vao haingana tao amin'ny seranam-piaramanidina Boryspil.
Nahazo Fialokalofana Ao Okraina Ilay Rosiana Bilaogera Shipilov
Nahazo fialokalofana ara-politika ao Okraina i Dmitry Shipilov, mpanao gazety sady bilaogera Rosiana izay voampanga teo aloha ho manivaiva ny governoran'ny faritra Kemerovo ao Siberia tao amin'ny lahatsoratra bilaoginy.
Tranonkalam-Baovao 100+ No Bahanan'ny Okrainiana Mpisintaky ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan'i Lugansk’
Tranonkalam-baovao maro no voatampim-bava ao amin'ny mpilaza tena ho "Repoblika Entim-Bahoakan'i Lugansk" noho ny finiavan'ny manampahefana mpisintaka hanakely araka izay tratra ny taratra "fanozongozonana" avy aminny fampitam-baovao Okrainiana.
Manina Ahy? Apetak'ireo Witty Mpijirika Eny Amin'ireo Fàfana Anaty Fiarandalamby Ambanin'ny Tany Ao Kiev Ny Sarin'i Moriarty Ilay Olondoza Amin'ny Andian-tantara Sherlock
Nandefa saripika samihafa mampiseho ny dokambarotra any anaty fiarandalamby ambanin'ny tany, nahitàna an'i Moriarty mitsiky avy any anatin'ireo andian-tantara Sherlock an'ny BBC ireo mpampiasa media sosialy avy ao Kiev renivohitr'i Okrana..
Rosiana Mpijirika No Tao Ambadiky Ny Fanapahana Herinaratra Tao Okraina, Hoy Ireo Mpikaroka
Heverina ho nataon'ireo Rosiana mpisovoka ilay voalaza fa fanafihana ny aterineto izay nitarika fahatapahan-jiro vonjimaika tamin'ny herinaratra Okraniana, araka ny filazan'ireo mpikaroka Amerikana.