· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Aogositra, 2018

Madagasikara: Anglisy teny ofisialy, fanomezam-boninahitra ireo lasibatry ny fifanandrinana ara-panjanahantany sy ny rivodoza

  30 Aogositra 2018

Fenofeno ny vaovao teto Madagasikara tanatin'ny tapabolana faharoan'ny volana marsa 2007: referandaoma fanitsiana ny lalampanorenana nampiditra ny teny anglisy ho teny ofisialy. nanome voninahitra ireo lasibatry ny fitroarana nanoherana ny fanjanahantany tamin'ny taona 1947 izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 80.000 ihany koa i Madagasikara. Farany, rivodoza fahaenina tanatin'ny enimbolana.

Fitsinjarazaràna Avy Any Ogandà

  28 Aogositra 2018

Mitohy miditra amin'ny volana faha-telo ny fifampiresahana mavesatra mikasika ny fandriampahalemana ao Juba, Sodana, eo amin'ny Governemanta Ogandey sy ny Lord's Reistance Army (LRA), miaraka amin'ny fifampiampangana ataon'ny andaniny sy ny ankilany ho tsy manaja ny fifanarahana mikasika ny fampitsaharana an'ireo habibiana. Na izany aza, voasoroka ny fahatapahana tanterak'ireo fifampiresahana ireo rehefa nanambara ny Governemanta an'i Sodana Atsimo fa tsy ny LRA mihitsy, fa kosa ireo mpikatroka Sodaney tavaratra miteny arabo, no namono sivily 38 tao an-tanàna manakaiky an'i Juba.

Fihaonambe G8: Mbola toerana tsara kokoa ho an izao tontolo izao?

  24 Aogositra 2018

Nihaona tany Heiligendamm, Alemana tamin'ny herinandro lasa ny G8 (+5). Tonga tamin'ny fifanarahana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahantrana ao Afrika izay mety tsy ahafa-po ny ankamaroan'ny mpitsikera ny kapitalisma manerantany ireo firenena manan-karena indrindra manerantany .