Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Jolay, 2017

28 Jolay 2017

Zava-doza Tao Chittagong : Tondra-drano Nitondra Faharavàna Tao An-tanàndehibe

"Niharatsy androany ny tondra-drano tao Agrabad, Chittagong . Toa tsy misy miraharaha. Ho vonjen'Andriamanitra ny olona rehetra."

Arabisc: Mamaky Ady Ny Jamba Ao Maraoka

Tena zavadoza manjo ny maha-olombelona marina tokoa io, izay mahavaky ny fo. Zavadoza ara-tsosialy ho an'io sehatra iray vohitsakitsaka ao anatin'ny fiarahamonina io, izay tsy omena ny zony

27 Jolay 2017

Kurdistance… [Fijoroana Kiorda]

Nitranga tamiko ny zavatra tena mahatsiravina indrindra....ny fifamoivoizam-baovao RSS ho an'ny bilaogy Kiorda, nanjavona avokoa ny vaovao rehetra. Ka amin'ny fiatrehana ny olana, dia hamela olona vitsy ny lahatsoratra androany. Soa fa tsy very ny asako rehetra satria mbola azo jerena ao amin'ny tranonkala bilaogiko ny vaovao RSS rehetra.

24 Jolay 2017

Bahrain: Vonjeo Ny Marary

Dokotera no antonasany, nivalaketraka i Bahraini in Alaska nanoloana ny fomba tsy manaja ny maha-olona ikarakaràna ny sasany amin'ireo marary any amin'ireo hopitaly goavana ambany fitantanan'ny fanjakana ao Bahrain.

21 Jolay 2017

Afganistana: Mpitsoaponenana Naverina, Mpitandro Filaminana Vizana Sy Ankizy Mipararetry ny Hatsiaka

[...] Amiko, toy ny hoe hamafisin'ny haino aman-jery ny fomba fijery hoe hadalàna ny manome fitaovana ho anà andrim-panjakana toy ny ANP, satria tsy ara-dalàna mihitsy ny fiasany. [...]

17 Jolay 2017

Lahatsary HUB: Miaro Ny Zon'ny Vehivavy Mpikatroka Manerana Izao Tontolo Izao

Zon'olombelona an-tsary

Manolotra antsika lahatsary telo nalaina tao amin'ny hetsika "Human Rights for Women; Human Rights for All" ( Zon'olombelona Ho An'ny Vehivavy; Zon'olombelona Ho An'ny Rehetra) ny Witness' The HUB Beta, izay nahitana vehivavy maherifo miisa 3 miaro ny zon'ireo vehivavy hafa...

16 Jolay 2017

Ejypta: Fetiben'ny Filma Momba ny Mpitsoa-ponenana Ao Kairo

Nanasa ahy tao amin'ny bilaogin'ny Fetiben'ny Filma momba ny Mpitsoa-ponenana Kairo ny wholehearteldy Sudaniya, ka nahita vaovao lehibe momba ireo mpitsoa-ponenana ao Ejypta tao anatin'izany bilaogy izany aho.

08 Jolay 2017

Haiti: Mitady Fanafana Amin'ny Tsy Fahampian-tsakafon'ny Zaza

Tao amin'ny YouTube, manolotra antsika lahatsary mampiseho ny fomba fahandron'ny fianakaviana iray rehefa hanamboatra mofo fotaka ny toddgsapp, tsy natao ho hanin'izy ireo ihany fa amidy ihany koa izy ity.

Playing for Change: Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Mozika

Misarika ny sainay ny tetikasa fiaraha-miasan'ny mozika manerantany amin'ny alàlan'ny antsoina hoe Playing for Change: Peace through Music (Milalao hisian'ny Fanovana: Fitoniana amin'ny alalan'ny Mozika) ny MeetJohnSong.