Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Oktobra, 2018

29 Oktobra 2018

Olona an'arivony no tsy manan-kialofana noho ny fikaohan'ny tany amin'ny morondrano ao Bangladesh

Nitelina tranobe misy rihana telo tao Naria upazila ao Shariapur ny renirano Padma. Nitarika fiovana lehibe ny fikaohan'ny riaka an'io renirano io ny tany; fianakaviana 4.000 no tsy hanan-kialofana ao anatin'ny volana vitsivitsy.

25 Oktobra 2018

Shina: Aza adino ny anaran'izy ireny

Nofihazan'ireo manampahefana shinoa ho anaty boaty mainty, toy ireo tsiambaratelom-panjakana, ny isan'ireo mpianatra namoy ny ainy tamin'ilay horohorontany tao Wenchuan tamin'ny 12 mai 2008...Maninona no tsy manao ezaka mihitsy na kely aza mba hananganana lisitra iray misy ireo ankizy mahantra tradoza ireo? Ho soa ho an'ny firenena? Firenena toy inona...

24 Oktobra 2018

Manampahefana Serba manasazy fikambanana mpanao asa soa ara-pahasalamana noho ny nampisehoany ny tsy firaharahian'ny fanjakana

Manao famotorana orina mpanasoa eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny manampahefana misahana ny fampiharana ny lalàna ao Serbia, mpitsikera ampahibemaso ny fitondrana ny tompon'ny fikambanana ka mahatonga ny olom-pirenena sasany hilaza fa valifaty no anton'ny famotorana.

22 Oktobra 2018

Indonézia-Gaza : Blaogera mifanandrina amin'ny haino aman-jery mikasika an'i Gaza

Naneho hevitra tamin'ny fomba feno herisetra tamin'ilay ady nisy teo amin'ny Israeliana sy ny Palestiniana ireo haino aman-jery Indoneziana nentim-paharazana, indrindra ireo gazety sasany sy fahitalavitra mpanohana ny Islamika. Tamin'ny alalan'ireo fampahalalam-baovao ireo, hitantsika fa manolotra ''fampiofanana ara-miaramila'' ireo vondrona mpanao an-tendrony mba handehanan'ny sasany hiady any Palestina ho an'ny...

19 Oktobra 2018

Maraoka : Fandroahana ireo evanjelisitra tao amin’ny tanànakelin’ny fanantenana.

Noroahina tao amin’ny firenena Maraokana, tsy nisy fampitandremana, ireo mpikambana miisa roapolo tao amin’ny ekipan’ny Tananakelin’ny fanantenana, trano fitaizana zaza kamboty iray any amin’ny tanànakely any ambanivohitr’i Maraoka noho ny fiampanga ho nitarika olona hanaraka ny finoany.

14 Oktobra 2018

Bangladesh: Taorian'ny tondradrano

Fantatra fa olona miisa 587 no matin'ny tondradrano tamin'ny fotoana nanoratana tamin'ny taona 2007 tany Bangladesh. Efa nihena ny tondra-drano tany amin'ny ankamaroan'ny faritra saingy nanakana ireo olona voakasik'izany tsy ho tafody tany an-tranony ny tondradrano (vao haingana) tany amin'ny faritra maro .

11 Oktobra 2018

Shina: Inona No Niafaràn'ireo Niharamboina Vokatry Ny Horohorontany Tao Sichuan?

Iharan'ny ririnina mamirifiry ankehitriny ireo niharam-boina vokatry ny horohorontany tamin'ny 12 may 2008 tao Sichuan. Manam-pahefana iray eo an-toerana no milaza fa mety hahatratra -21°C ny maripàna farany ambany ao amin'ilay faritra tratry ny horohorontany. Ankehitriny , ny fanampiana an'ireo traboina hamakivaky ny ririnina henjana no mijanona ho asa iray...

Mampihena ny elanelana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ao Afrika

Na misy aza fitomboan'ny Harin-karena Faobe, tsy mbola vitan'ny kaontinanta afrikana foana ny mampihena ny elanelana lehibe misy eo amin'ireo manankarena sy mahantra.

07 Oktobra 2018

Fanolorana Loka Nobel Momba ny Fandriampahalemana, Hafatra Mavesatra Ho An'ny Fitantanana Ao Amerika

Ny Tetezana - The Bridge

Nifidy an'i Nadia sy Denis ny ambiny taminì'izao tontolo izao, nifidy an'i Donald sy Brett kosa i Etazonia

06 Oktobra 2018

Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika

Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any...