Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Jona, 2013

30 Jona 2013

Hamongotra Ny Andiana Fifindra-monina Vaovao Ve Ny Breziliana?

Mitarika andiana fifindra-monina any Brezila ny krizy ara-bola maneran-tany, ady ary ireo hetraketraky ny tontolo iainana. Ny fampiroboroboana ireo politikan'ny fifindramonina mahomby, noho izany, dia mitondra fandraisan'anjara amin'ny lazan'i Brezila ho tanjaka maneran-tany vao misondrotra.

Ravan'ny Safodrano Sy Ny Fihotsahan'ny Tany Ny Faritra Avaratr'I India

Namono olona maherin'ny 500 sy nampihitsoka olona eo ho eo amin'ny 70.000 zara raha manana vatsy sy fitaovam-pialofana noho ny fahasimbana na fahatapahan'ny làlana ilay safodrano sy fihotsahan'ny tany tany avaratr'i India.

18 Jona 2013

Hetsika Ho Fahatsiarovana ny Kapiteny Mbaye Diagne, Maherifo Senegaley ao Rwanda

Mbola mitohy manerana izao tontolo izao ny fotoam-pahatsiarovana ofisialin'ny lasibatry ny fandrimpaham-bahoaka tao Rwanda tamin'ny 1994. Saingy ankavitsiana ny mbola mahatadidy ny Kapiteny Mbaye Diagne. Nefa dia nampiseho herimpo tokoa io tanora manamboninahitry ny tafika senegaley io nandritra ny fotoana be fieboeboana fotsiny ny ambiny manerana izao tontolo izao. Efa...

14 Jona 2013

Resadresaka Tamin'i Anne, Iray Amin'ireo Mpandray Anjara Amin'ny Vaovao An-dahatsary “Manao ahoana any Bamako?”

Amperin'ady any Mali i Frantsa. Nanapa-kevitra ny handefa amin'ny YouTube vaovao an-dahatsary iray mikasika ireo resadresany tamin'ny Skype i Anne Morin any Parisy sy ilay vehivavy namany Awa Traoré any Bamako. Te hahazo ireo vaovao mikasika ny faritra sy ireo namany i Anne. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Anna Gueye, niresaka...

12 Jona 2013

Fanemorana Sy Saritaka Politika Mandravarava Raha Mihamanatona ny Fifidianana Eto Madagasikara

Kizo ara-politika, Resaka fanohanana ara-bola, ary ny vato misakana eo amin'ny fampitaovana no ahiana hampibolisatra ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena hotontosaina eto Madagasikara, ny voalohany hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2009 nampianjera ny nosy ho ao anatin'ny krizy politika.