Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2017

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Avrily, 2017

23 Avrily 2017

Loza Mahatsiravina Tao Sri Lanka, Azo Nosorohana Tanteraka

Taona maro lasa izay, efa nihevitra ny hamongotra ilay toerana fanariana fako ireo manampahefana ary hamadika azy ho “toerana iray mahafinaritra.” Tsy tanteraka mihitsy anefa ity drafitra iray be fangirihana ity, ary ankehitriny dia miatrika ilay tahotra faran'izay ratsy indrindra noeritreretiny ireo mponina ao an-toerana.

21 Avrily 2017

Tetikasa Fametrahana an-Tsarintany Ifarimbonana ireo Toerana Marefo Indrindra Hanatsarana ny Vonjy Voina

Rising Voices

Mampiaraka ny asan'ny mpirotsaka an-tsitrapo mandray anjara any lavitra any, ireo mpitarika ny fiarahamonina eny ifotony ary ireo fikambanana mpamonjy tra-boina ny Tetikasa Miising Maps

20 Avrily 2017

Namoaka Boky Mirakitra ny Tantaran'ny Wikipedia Amin'ny Teny Arabo Ny Wikimedia Am-piposahan'ny Masoandro

Nivoaka ny boky voalohany mitantara ny tantaran'ny Wikipédia, iray amin'ireo boky vitsy an'isa eto amin'izao tontolo izao mirakitra ny rakipahalalana.

12 Avrily 2017

Sisampaty Mizara Ny Tantaran'izy ireo Momba ny Loza Sedraina Rehefa Mamaky ny Taniefitr'i Sahara Handeha Hifindra Monina

Fanentanana ety anaty media sosialy ny Aware Migrants , izay mikendry ny hampahafantatra ireo mpifindramonina avy aminà firenena 15 Afrikàna momba ireo loza sedraina rehefa mamakivaky ny taniefitr'i Sahara, Libia ary ny Ranomasimbe Mediterane.

06 Avrily 2017

Fianakaviana Filipino Tsy Manan-kialofana Mibodo Fonenam-Bahoaka Miisa 6000 Tsy Misy Mipetraka

"Jereo ireo trano ireo, tsy ampiasaina. Mihalava ny bozaka, ary manomboka feno tany ny trano. Maninona no tsy mamela ny tsy manan-kialofana honina ao ry zareo?"

03 Avrily 2017

Ny Firaisankina (Peroviana) no Hery Manoloana ny Tondradranon'ny Volana Martsa

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa, tanàna maromaro tao Però no nitolona tamin'ny orambe, tondra-drano, fihotsahan'ny tany, fahatapahan-dalana toa tsy misy fiafarana, ary fikatonan'ny sekoly avy eo, andro vitsy monja taorian'ny fisokafan'ny taom-pianarana 2017.