Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2014

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Aogositra, 2014

31 Aogositra 2014

Lahatsarin-Jazakely Syriana Avotra Avy Amin'ny Korotam-Baton'ny Trano Ravan'ny Baomba

Nandrava ny tranon'i Ghina, zazakely sy nahafaty ny reniny ny baomba barika . Avotra soa aman-tsary i Ghina, na dia efa sarona tanteraka tao ambanin'ny korotam-baton'ny trano rava aza.

28 Aogositra 2014

Dibo-Drano Ny Tanànan'i Mizia Ao Bolgaria Taorian'ny Tondradrano Lehibe

Olona an-jatony no very trano fonenana tao amin'ny tanànan'i Mizia, tondraka ny reniranon'i Skat nohon'ny firotsahan'ny orana tsy nisy fitsaharany. Nanao ny ezaka rehetra ny vahoaka Bolgara teo amin'ny fanangonana ireo fanampiana hatolotra ireo traboina.

12 Aogositra 2014

Fanazavana An-tsary 4 Miresaka Fiparitahan'ny Aretina Ebola Ao Afrika Andrefana

Fanazavana an-tsary 4 mikasika ny fianahan'ny aretina Ebola ao Afrika andrefana

09 Aogositra 2014

Nanambatra Hery ny Mpanolo-tena avy any Slovenia, Makedonia ary Serbia Hanangana Indray Ny Ravan'ny Tondra-Drano

Nihoatra ny 50 ny mpanolo-tena avy any Slovenia, Makedonia, ary Serbia tafangona tao Kraljevo, Serbia tao anatin'ny hetsika iray hanao asam-pananganana indray ny fahasimbana nateraky ny tondra-drano tao amin'ny faritra.

08 Aogositra 2014

Sambo Mpitondra Mpandeha Be Olona Loatra Rendrika tao Bangladesh; 2 No Maty, Mihoatra ny 100 Nanjavona

Nisy olon-tsy fantatra naka sary tamin'ny finday ilay sambo rendrika avy amin'ny sambo iray hafa teo akaikiny. Nifampizarana imbetsaka tao Facebook sy YouTube izany lahatsary izany.

07 Aogositra 2014

Mitohy Mahafaty Olona Ny Daroka Baomba Barika Ao Syria Na Dia Eo Aza Ny Fiampangana Iraisam-pirenena

Tsy noraharahian'ny governemanta Syriana ny fanapaha-kevitry ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana mba hampitsahatra ny fampiasana fitaovam-piadiana "barikam-baomba", izay nararaka an-jambany tao amin'ireo faritra misy sivily.