Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Marsa, 2011

Myanmar: Sary Avy Amin'ilay Faharavana Nentin'ny Horohorontany

Horohorontany iray nanan hery 6.8 no namely ny ilany avaratsa-atsinanan'i Myanmar ny harivan'ny Alakamisy 24 Martsa 2011, izay re hatrany akaikin'i sisintanin'i Thailand ary hatrany Vietnam sy Shina lavitra any mihitsy aza. Ilay fihetsehana dia namoizana aina 70 ary nandrava trano maherin'ny 240 tao Myanmar fotsiny. Tao an-tananan'i Tachilek, vatampaty...

Shina: Tsy maintsy mandeha i Gaddafi (Kadhafi)

Ny toerna ofisialy raisin'i Shina dia ny hoe tokony horesena lahatra amin'ny fifanakalozan-dresaka sy fomba milamina maro hafa aloha i Lyiban'i Koloney Gaddafi; tsy ny rehetra any Shina no miombon-kevitra amin'izany. "Vitao ny aminy," hoy ny soratan'ilay Sinoa mpitoraka bilaogy be mpamaky indrindra manerantany.

Bahrain: Diary an-dahatsary ny herisetran'ny polisy

Raha mbola mitodika any Libya ny haino aman-jery sy ny fihodin'ny tantara any, dia mamely mafy ny mpanao fihetsiketsehana mitady demokrasia kosa ny ny fitondrana any Bahrain. Dimy no maty ny alarobia raha nanafika ny mpanohitra ny fitondrana izay nivory teo amin'ny tsangambato boriborin'i Pearl (Lulu) ao an-drenivohitra Manama ny...

Libia: Any Benghazi daholo ny maso (Lahatsary)

Benghazi tanàna faharoa lehibe indrindra eo amin'ny firenena no foibe politika sy fanahy mpikomin'ny hetsika manohitra ny Kolonely mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi. Miaraka amin'ireo hery ara-tafiky ny mpikomy izay voadoana mafy ihany tamin'ny fanafihan'ireo herin'i Gaddafi, na izany aza, mety ho lasa toerana famaharana farany ho an'ny...

Frantsa : Fanahiana sy fanantenan'ny vondro-piarahamonina Japoney

Niteraka ahiahy tamin'ny ankamaroan'ny Japoney monina ivelan'ny tanindrazany, na izany eto Frantsa na any an-toeran-kafa, ny mahita sary mampihoronkoditra ny tsunami sy ny vaikany. Nanao izay hifandraisana amin'ny havany noho ny fisian'ny aterineto ry zareo ny tontolo andron'ny zoma 11 marsa

Ireo mpitsoam-ponenana Palestiniana very any Lybie

Anisan'ireo lahatsoratra momba ny Fihetsehana tany Lybie 2011 ity lahatsoratra ity. Ireo vahoaka any Libiae, izay mirotsaka an-tsehatra amin'ny ady ho an'ny  demokrasia ary manohitra an'i Muammar Gaddafi sy ny miaramilany, no miaritra ady aman'aina efa ho herinandro maromaro izao. Vahoaka marobe no efa nandositra ny fireneny ka lasa any Tonizia...

Japana: Mamely ny morontsiraka ny tsunami, tsy mamela mahazo

Manaraka ilay horohorontany goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity, voakapoky ny tsunami mahery indrindra tany aminy indray i Japana. Miraikitra eo amin'ny Fahitalavitra ny vahoaka eraky ny firenena satria mandeha amin'ny vaovao ilay tsunami mihoatra ny 7 metatra izay mamafa ireo fiara sy ireo tranobe tojo ny zotrany.

Libya: Manohy ny fitifirana an'i Zawiya ny tafik'i Gadhafi.

Ity lahatsoratra dia fitantarana manokana momba ny Fihetseham-bahoaka taona 2011. Tifitra tamin'ny alalan'ny fiara mivono vy sy fitaovam-piadiana mavesatra tao Al Zawiya, ao amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Libya, dia nanakoako tao amin'ny Twitter. Amin'ireo vaovao vitsivitsy avy an'i Libya fa nisy mpanao gazety voatana ao amin'ny hotely ao Tripoli miandry an'i Kolonely...

Panama: Hofoanana ny lalàna manova ny fehezan-dalanan'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Ny 3 Martsa, nanome toky ny hanafoana ny lalàna izay manova ny fehezan-dalànan'ny fitrandrahana any Panama ny Filoha Ricardo Martinelli. Voarain'ireo Panamaniana tamin-kafailana ireo vaovao izay nahita ny fanovana ity fehezan-dalàna ity ho fanafihana ny tontolo iainana. Nipoitra avy hatrany tany amin'ireo tamban-jotra sosialy ireo fihetsehim-po.

Libanona: Fihetsiketsehana manohitra ny rafitra mifototra amin'ny sekta

Mihoatra ny 2500 ny Libaney nanao diabe tamin'ny alahady (27 Febroary 2011) tao an-drenivohitra Beirut manohitra ny rafitra miankina amin'ny sekta izay heverin'izy ireo ho fototry ny olana ao amin'io firenena io. Ato no hahitantsika hoe tahaka ny ahoana ny fihetseham-pon'ny Libaney an-tserasera. Efa misy koa ny miomana hanao fihetsiketsehana...