Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Febroary, 2011

26 Febroary 2011

Libya: Manainga Ireo Mpitsoa-Ponenana Raha Toa ka Tonga Tsikelikely Kosa Ny Fanampiana Amin'ny Maha-Olona sy Ireo Mpanao Gazety

Raha mbola mitohy miraikitra amin'ny fitondrana ilay jadon-dahy Libiana Muammer Al Gaddafi, mamono ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manohitra azy amin'ny fomba faran'izay henjana sy feno habibiana tsy fahitra hatrizay, ny laharan'ireo olona mitsoa-ponenana miala an'i Libia kosa mitombo hatrany. Ary raha mitohy miakatra hatrany ny salan'isam-pahafatesana, tonga mitsitaitaika ao amin'ny...

25 Febroary 2011

Liban: mpanao didy jadona 128 mahery no toherina?

Raha mbola eo am-panoherana ny mpanao didy jadona any aminy ny tontolo Arabo, dia tsy dia tena mitovy loatra amin'ny an'ny rehetra ny zava-misy any Liban sady somary manahirana. Araka ny voalazan'ny mpikatroka Imad Bazzi sy Ali Fakhry, dia eo ambany fitondran'ny mpanao didy jadona 128 ny vahoaka any Liban,...

24 Febroary 2011

Koety: Mitaky ny zony ny ‘Bedoun’ tsy manan-tanindrazana

Miditra amin'ny andro fahatelo ny fihetsiketseham-panoherana ataon'ny mponina koesiana tsy manan-tanindrazana, fantatra ihany koa ho 'bedoun' (tsy manana zom-pirenena), mitady ny fampitovian-jo sy fizakana zom-pirenena izay nahaterahan'ny maro sady heveriny ho fonenany tokana. Ny fitondrana moa milaza fa tsy mponina ara-dalàna izy ireo - ary tsy ara-dalàna ihany koa ny...

23 Febroary 2011

Yemen: Bala, Hiakan-taraina ary Anjomara (Lahatsary)

Tatitra vao tonga avy any Sanaa renivohitr'i Yemen no milaza fa raha kely indrindra dia mpianatra iray avy amin'ny anjerimanontolo no maty ary marobe no naratra tamin'ny fifandonana halina tamin'ny hery manohana ny governemanta.

22 Febroary 2011

Libya: Sakano Ny Vonomoka Ataon'i Gaddafi

Anaty horohoro no hibanjinan'izao tontolo izao an'ireo tatitra mampivarahontsana avy any Libya. Nampiray feo ireo olona avy amin'ny lafy valon'ny tany mba hiantso fampitsaharana ny vono moka ataon'ilay mpitarika Libiana Muammar Al Gaddafi amin'ny vahoaka Libiana ireo vaovao nilaza fandarohana baomba an'i Tripoli avy eny an'habakabaka.

Haiti: Fanampiana avy any Slovakia notazonin'ny ladoany mandritra ny folo volana

Kontenera miaraka amin'ny sambo faharoa misy ny fanampiana ara-olombelona avy any Slovakia no notazon'ny ladoany any Haiti efa ho folo volana. Mandika ny fomba fijerin'ny mponina amin'ny aterineto Slovaky ny olana i Tibor Blazko.

17 Febroary 2011

Ejipta : Kianjan'ny fahafahana, andron'ny fahafahana

Omaly dia fanin'ny haravoana ny Ejiptiana. Mizara any fahatsapany i Tarek Amr ary ireo Ejiptiana mpitoraka bilaogy nanatri-maso ny fianjeran'i Moubarak - ilay lehilahy nifehy ny firenen-dry zareo nandritra ny 30 taona ary avy eo voatery nametra-pialàna satria niara-nanandra-peo tokana ny vahoaka hoe :Mialà!

02 Febroary 2011

Haiti: Herintaona lasa izay…Tsaroantsika tsara

Herintaona androany ny nitrangan'ilay horohorontany nandravarava tao Haiti. Ireo mpitoraka bilaogy Haitiana dia mahatsiaro sy manome sitraka ireo velon'aina tamin'io voina io, na dia fantatsika aza fa mbola marobe ireo asa fanarenana tsy maintsy atao.