Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Septambra, 2017

26 Septambra 2017

‘Tsy Nahasahy Nijery Isika': Ravan'ny Rivodoza Maria I Dominica

'Ny faharavana tanteraka no tatitra voalohany. Hatramin'izao very avokoa ny zava-drehetra azon'ny vola novidiana sy soloina. Ny faharatran'olona tamin'ny fotoana [...] nandrava tanteraka...eny, tsy takatry ny saina.'

25 Septambra 2017

Nampiseho Ny Hery Sy Ny Firaisankinan'ny Meksikana Ny Horohorontany

Ny fahalehibehezan'ny vahoaka dia tsy ao anatin'ny andrim-panjakany. Fa any ivelany, eny an-dalambe. Mifanatrika. Tanana mifampitanana. Tsy milavo lefona ny fo mitempo ary mangataka mba tsy hialan-daharana ny hafa.

22 Septambra 2017

Nahafatesana Olona Maro Ny Horohorontany Tao Meksika

Niharan'ny horohorontany roa mahery vaika tamin'ny Septambra 2017 i Meksika. Milaza ny zava-niainany ireo olona niaina izany tao Oaxaca sy Mexico City.

18 Septambra 2017

Zimbaboe: Tsiaro Ny Murambatsvina

Ny 18 Mey 2005,  nanomboka ny fandrodanana tanteraka izay heverina ho trano fonenana tsy ara-dalàna ny polisy tao Harare. Ankoatra ireo mpivarotra eny an-dalambe, eny fa na dia ireo izay mivarotra ara-dalàna  aza dia nosamborina sy nampandoavina lamandy, ary nalaina ny entany sy ny fananany .

15 Septambra 2017

Ny Fiainana (Virtoalin'ny) Toniam-Paritra

Mandefa ny rakipeo momba ny asany antserasera ny toniam-paritra GVO any Azia Atsimo.

12 Septambra 2017

Shina: Ny Anarana Verin'ireo Andevo Mpanamboatra Biriky

ny tantara ratsin'ireo andevo tao amin'ilay toerana fanamboarana biriky,...efa ho telonjato mahery tsy navotsotry ny governemanta tao Shina

10 Septambra 2017

Myanmar: Fihaonam-Bavaka sy Fanohanana avy amin'ny Firenena Manodidina

Tontosaina any amin'ny firenena manodidina ny fijoroana ho fanoherana sy ny fihaonam-bavaka ho fanohanana ireo Moanina ao Myanmar manao fihetsiketseham-panoherana. Ahitana sary sy lahatsary avy amin'ny firenena ao Azia Atsimo Atsinanana ity lahatsoratra ity.

03 Septambra 2017

Mianatra Mamboly Holatra Hivelomany ireo Siriana Any amin'ny Tanàna Iray Tratry Ny Fahirano

"Tiana ny hanaparitaka ity hevitra ity manerana izao tontolo izao mba ho fantatr'izy ireny ny fahombiazana azonay, hatramin'ny tolonay manohitra ny hanoanana sy ny fahirano"