Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Janoary, 2009

31 Janoary 2009

Costa Rica: Nampihitsoka ny olom-pirenena sy ny mpitsidika ny Horohorontany 6.2

Nipaka tao am-pon'ny Costa Rica ny Horohoron-tany 6.2, izay nanana ivo-kotroka (epicentre) 35Km fotsiny tao Vara Blanca. Miala amin'ny renivohitry San Jose. Tao amin'ny lemaka afovoany, dia nahitana fahavakisana sy entana ravarava niparitaka eny amin'ny talatalana, na dia izany aza, dia ny toe-javatra manakaiky ny ivo-kotroka no tena lasibatra, tahaka...

30 Janoary 2009

Sina: Mbola mba misaintsaina ireo ‘zazakely tratry ny vato any anatin'ny voa’ ve ny governemanta?

Voafafa tsikelikely niaraka tamin'ny fikatonam-baravaran'ny orinasa Sanlu ny fampitam-baovao momba ny trangan'ny ronono voapozina tany Sina. Tamin'ny Desambra 2008, nanambara ny tetika iaingàna ho fanonerana izany  ny governemanta Sinoa, na izany aza anefa, fahadisoam-panantenana ho an'ny maro tamin'ireo tra-doza no nisy. Ary araka ny tatitry ny gazety mpiseho ao Hong...

23 Janoary 2009

Palestina: “Zava-poana ny rehetra eto Gaza – ny fifohana rivotra, ny fihazakazahana, ny fanantenana”

Ato anatin'ity topimason'ny blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika ny antsipirihan'ny fanafihana ny toeram-pitsaboana Al Quds ao amin'ny faritry Tel al-Hawa any amin'ny tananan'i Gaza , avy amina Aostalianina mafana fo izay teny an-toerana tamin'iny fotoana iny, ary Italianina iray manoritsoritra lehilahy maratra tsaboina ao amin'io toeram-pitsaboana io, izay...

Palestina : “Any Gaza, ny maty ihany no nahita ny fiafaran'ity ady ity”

Nahita ny fahalebiazan'ny fahapotehan'i Gaza ireo mponina taorian'ny 3 herinandro nanafihan'ny Israeliana ny tanàna, ary efa manomboka mamerina ny fiainany andavanandro tsikelikely. Ireo mpitoraka bilaogy sasantsasany no manahy ny amin'ny fahasimbana ara-tsaina sy ara-po. Misy ny manontany hoe : “Inona no valisoa ho an'izay afa-mitsangana ka mandeha indray?” Sharyn Lock,...

19 Janoary 2009

Palestina: Mifampiresaka amin'ny Gaza

Araka ny toe-javatra mahazatra ary koa na dia eo aza ny taha ambony amin’ny fahaiza-manoratra, dia mipetraka eo anelanelan’ny 13 sy 15 ny isan-jaton'ny fahafaha-mampiasa ny aterineto any Palestina (tafiditra ao anatin’izany Cisjordania sy Gaza ). Na dia eo aza ny fanafihana manatona an’I Gaza dia hita kosa fa mihena...

18 Janoary 2009

Palestina:Tsy manam-basy na fitaovam-piadiana aho, ny filazana ny marina no entiko miady

Anatin'ity topimaso momba ny blaogy avy any Gaza ity, mandre isika ny fitantaràn'ny mpamily fiara mpamonjy voina iray ny fomba iainany ny tahotra, ny fiantraikan'ny fampitandremana nataon'ny IDF nalefa tamin'ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo tao an-toerana – sy ny hoe nahoana no ny fisintahana an'i Gaza sisa no azo antoka indrindra...

16 Janoary 2009

Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana

Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana azy ireny tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge. Nanoratra i Al Sabbagh taorian'izany fa : بكاء .. وألم .. وعجز .....

14 Janoary 2009

Palestina: “Toa efa simba sahady na ny hoavinay aza eto Gaza”

Anatin'ity jery todika momba ny hafatra anaty blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika adolantsento iray vao avy namoy ny namany ary manahy mafy ny amin'ny ainy koa, mpiasan'ny fahasalamana iray maty raha iny izy handeha hamonjy olona iny indrindra, ary lehilahy iray nilaza ny tsy fironany amin'ny resaka politika:...

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra...

13 Janoary 2009

Palestina: Sekolin'ny Firenena Mikambana voadaroka baomba; maherin'ny 40 no maty

Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva (GMT+2), dia nanao tatitra ny Al Jazeera amin’ny teny anglisy fa voadaroky ny balan'ny tanky roa ny teo an-tokotanin'ny sekolin’ny Firenena Mikambana. Io sekoly izay miorina ao Jabaliya io dia navadika ho trano fialofan'ny mponina ao Gaza rava trano na voatery nandao ny fonenana....