Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Aogositra, 2010

29 Aogositra 2010

Pakistana: Ezaka fanampiana – Tatitra avy any an-toerana

Indraindray, mila traik'efa betsaka vao afaka mahatsapa ny tena mampalahelo amin'izao zava-mitranga izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity izahay mizara tatitra sasany avy amin'ny mpanoratry ny Global Voices Salman Latif any Multan izay vao tsy ela no tany amin'ny faritr'i Muzaffargarh sy Mehmood Kot any Pakistan mba hizara fanampiana ho an'ireo...

Kolombia: miteraka resabe ny horonantsary mikasika ny fanipazana saka iray navoakan'ny Radio DJ

Nahatezitra ny mpitia biby tany Medellin, Kolombia ny video iray navoakan'i DJ Yohan Melguizo tao amin'ny valan-tseraseran'ny Facebook roa volana lasa izay .

28 Aogositra 2010

Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano

Naka ain'olona 1600 mahery ny tondra-drano a farany teo tany Pakistan ary nahakasika vahoaka manodidina ny 20 tapitrisa izay tena anatin'ny filàna fanampiana mihitsy amin'izao. Mitety ireo faritra mamakivaky an'i Pakistana ireo tanora Pakistane mponina amin'ny aterineto mizara ireo fanampiana ary maneho ireo hetsika ataony ho hita mivantana amin'ireo bilaoginy,...

27 Aogositra 2010

Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

Akon'ny RuNet

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy...

21 Aogositra 2010

Chili: Adihevitra nateraky ny famoahan'ny fiangonana Katolika Siliana tolo-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka

Namoaka tolo-dalàna ny fiangonana Katolika Siliana mikasika ny tokony hamelàna ny helok'ireo olona sasany voaheloka noho ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona. Niteraka adihevitra io tolo-dalàna io teo amin'ny tontolon'ny blaogy, satria tafiditra ao anatin'izany fangatahana izany koa ireo olona voaheloka tsy am-pisalasalana noho ny fanamavoana ny zon' olombelona nandritry ny fotoana...

18 Aogositra 2010

Andron'ny fahaleovantena nilamindamina ny an'i Pakistana

Raha mahita ny fijaliana rehetra sy ny haizina mandrakotra ny fiainan'ny Pakistane tsotra amin'izao fotoana izao, tsy mahagaga mihitsy raha mangingina ny andron'ny fahaleovantena tamin'ity taona ity. Milaza ireo mpitoraka bilaogy fa mbola matanjaka tsara ny firenena hahafahany miarina indray.

06 Aogositra 2010

Pakistan: Mitombo ny hatezerana manoloana ny tsy firaharahàn'ny Filoha

Mihoatra ny 1500 ny maty taorian'ireny oram-be nisesisesy ireny ka niafara tamina tondra-drano mihitsy tany amin'ireo faritra samihafa tany Pakistana. Anarivony ireo nanjary tsy manan-kialofana ary ny maro hafa kosa mandositra ny hanoanana sy ny fahafatesana.

Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika

Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy...

05 Aogositra 2010

Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Akon'ny RuNet

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka...

04 Aogositra 2010

Tondra-drano nandrava tany Pakistan

Tondra-drano tany Pakistan, 02 aogositra 2010. Sary tamin'ny Flickr nampiasa Globovisión. CC BY-NC Tsy nitondra fitahiana ho an'i Pakistan tamin'ity taona ity ny Rivotra mousson. Raha noheverina ho fotoam-pankalazana sy fifaliana amin'ny firotsahan'ny orana izany hatramin'izay, ny zava-niseho kosa izay nisian'ny tondra-drano mahatsiravina dia izay tsy nandrasan'ny Pakistaney velively. Namely vao...