· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Septambra, 2011

Pakistan: An-tapitrisany Tratry Ny Tondra-drano Ao Sindh, Tsy Misy Mpijery

  25 Septambra 2011

Taorian'ny tondra-drano niteraka faharavàna be tamin'ny taona 2010 tao Pakistan dia tsy nisy dingana mivaingana noraisin'ny governemanta hatreto mba hiatrehana ny mety ho fisian'ny tondra-drano amin'ny hoavy. Ny fiantraikan'io tsy firaharahiana io dia nandravaràva indray ny tondra-drano. Ny ivon'ilay zava-doza tamin'ity taona ity dia i Sindh izay namafàn'ny tondra-dranobe tanàna maro ary namindràna toerana olona an-tapitrisany.

Ejipta: Ireo Fifandraisana tsy an-kiteny eny an-dàlana

Isika amin'ny maha-olombelona dia manana ny fahafahana mifandray amin'ny alalan'ny teny tononina. Na izany aza, ao anatin'ny tanàna be olona sy maresaka toa an'i Cairo, mila mampiasa fomba fiteny hafa ankoatry ny teny tononina isika mba hifandraisana. Tarek Amr dia mandinika akaiky ny fifandraisana amin'ny fihetsika ampiasaina any amin'ny faritra manoaka ary ny fifandraisana amin'ny "klaxon".

Global Voices Miara-miasa Amin'ny UNFPA Amin'ilay Atrikasa “7 Miliara”

  04 Septambra 2011

Amin'ity taona 2011 ity dia hihoatra ny 7 miliara ny isan'ny mponina manerana izao tontolo izao. Mba hanamarihana izany dingana izany, niangavian'ny United Nations Population Fund (UNFPA) na ny tahirin'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mponina ny Global Voices hanoratra andian-dahatsoratra izay manandratra olona iray na vondrona izay mampisy fiavahana ao anatin'ny...

Ejypta: Mampiasa Twitter Hanampiana Fokontany Mahantra ao Kairo

Rehefa hita ny herin'ny valantserasera tamin'ny revolisiona Ejipsiana, dia nanapa-kevitra hiara-hiasa amin'ny fikambanana manao asa soa ao an-toerana ilay bilaogera Ejipsiana sady mpisiokantserasera Mahmoud Salem (@SandMonkey), mba hanampy azy ireo amin'ny fanangonam-bola amin'ny alalan'ny fampiasana ny herin'ny Twitter ka hanangana fotodrafitrasa amina faritra mahantra ao Kairo. Ezbet Khairalla, no iray amin'ny...