Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2016

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Oktobra, 2016

21 Oktobra 2016

Mahatonga Ny Zazavavy Ho Marefo Manoloana Ny Fanararaotana Ny Lalàna Sy Ny Toe-tsain'ny Fiarahamonina Ao Myanmar

Manasongadina ny tsy fisian'ny fiarovana avy amin'ny governemanta manoloana ireo lasibatry ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Myanmar ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tovovavy tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana anatiny ao amin'ny fanjakana Kachin, Myanmar.

20 Oktobra 2016

Miverina Indray Ny Resaka Tokony Ho Onitra Aloan'i Frantsa An'i Haiti Taorian'ny Fandravaravana Nataon'ny Rivodoza Matthew

Rehefa nandrisika ny olona "hanampy ny Haisiana, fa tsy ny kapitalistan'ny voina" ny bilaogera taorian'ny nandalovan'ny Rivodoza Matthew, dia niverina nahazo sehatra indray ny tokony ho onitra aloan'i Frantsa.

15 Oktobra 2016

Isan-taona, Mamono Olona An-jatony i Iràna Amin'ny Ady Amin'ny Rongony Ataony Izay Vatsian'ny Firenena Mikambana Vola

Matetika dia olona voahilikilika ao anatin'ny fiarahamonina Iraniana ireo vonoina ho faty. Tafiditra amin'izany ireo mpifindra monina tsy voarakitra sy ireo mpitsoa-ponenana avy any Afghanistan mpifanila vodirindrina, ary ny foko sy fivavahana vitsy an'isa izay miatrika tsy fahafahana migoka ny zony any Iràna.

07 Oktobra 2016

Lehilahy Bangladeshita Mahalala Izany Hoe Hanoanana Ka Manome Sakafo Mora Vidy Ho An'ireo Ankizy Sahirana

"Nanomboka tetikasa mizara sakafo ho an'ireo ankizy sahirana ao Dhaka sy ny faritra hafa amin'ny vidiny iray taka Bangladesh monja (0.013 dolara Amerikana) ny fikambanana atao hoe Bidyananda.

06 Oktobra 2016

Rehefa Manomboka Miteny Ireo Vahoaka Tsy Manan-kialofana Ao Rosia

Akon'ny RuNet

Fony i Anastasia Ryabtseva nanandrana voalohany nitafa tamin'ireo olona tsy manana fialofana ao St. Petersburg, marobe no nandà tsy nety hiresaka taminy. Amin'ny maha-mpanao gazety azy, taitra taminy ny olona, izay niahiahy tonga dia fotsiny izao.

01 Oktobra 2016

Fanampiana Mifangaron'ny Mpitsabo Mpanampy Amin'ny Kirizin'ny Fifindrà_monina

"Tsapako fa tsy ny rehetra no miasa saina; hoe ny teny ‘mpitsoa-ponenana’ dia takelaka maloto manimba ny maha-izy ny olona."