Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Janoary, 2013
Diaben'ny Fandriampahalemana: ‘Atsaharo Ny Herisetra any Myanmar Avaratra’
Misy dialavan'ny fandriampahalemana nomanina tao Myanmar hiantsoana ny fampitsaharana ny ady eo amin'ny tafi-panjakana sy ny tafika mpioko Kachin. Niteraka fifindra-toeran'olona mihoatra ny 90.000 ity gindragindra nanomboka indray ity.
Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa
Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe mirefy 700km no hovitain'ireo mpiasa mba hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo sy ny famitahana ataon'ny filoha Mohamed Ould...
2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)
Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...
Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria
Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara, 34 taona, izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo miasa eny amin'ny hopitaly ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, betsaka no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.
Bilaogera Ivoariana Mitsikera Ny Fomba Nifehezan'ny Fitondrana Ilay Saritaka Tao Abidjan
Navotsotry ny polisy ireo Bilaogera Ivoariana Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou rehefa avy notànana vonjimaika. Nandray anjara tamin'ny fananganana sehatra vonjy taitra hamonjena ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana tao Abidjan tamin'ny 1 Janoary 2013 izy roa lahy ireo. Saingy tamin'ny 4 Janoary 2013, nosamborina izy ireo taorian'ny fiampangana azy ho mitsabaka amin'ny ezaka ofisialy famonjena...
Bangladesh: Jibon Tari – Hopitaly Mitsingevana Ho An'ny Sahirana
Hopitaly mitsingevana mitety ireo faritra lavitra manerana ny firenena ny Jibon Tari - mitondra ireo tolotra ara-pitsaboana ho an'ireo olona any amin'ny faritra mahantra izay raha tsy misy ny toy izany dia sarotra ho azy ny hahazo tohana ara-pitsaboana mora foana.