Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2019

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Aogositra, 2019

Jordania: Ny fifandraisana ao Gaza

Raha mbola manohy ny fanafihany an'i Gaza ny Israeliana, mandeha mihoatra noho ny fanamelohana ny herisetra ireo bilaogera Jordaniana ary mamadika ny tenin'izy ireo sy ny fihetseham-pon'izy ireo ho asa mivaingana. Fanentanana Komity 7iber/Action manangona ireo fanomezana ankoatra izay nomanin'ny mpikarakara azy.

Palestina: “Tsy fantatr'izy ireo hoe ho velona ve izy ireo”

Izany no nahatonga an'i Mohammad, monina ao Ramallah saingy avy any Gaza, nanomboka ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe "Mahazatra kokoa noho ny torimaso ny fahafatesana" Nandritra ny 17 andro, hatramin'ny nanombohan'ny fanafihana voalohany tao Gaza, nizara ny antson'ny fianakaviana ao amin'ny  KABOBfest i Mohammad mba hahafahan'izao tontolo izao mandre ny tantarany.

Tanzaniana mpanora-baovao miatrika fiampangana foroporonina rehefa nalaina an-keriny sy nohazonina

Nanoratra tsikera amin'ny fitantanan-draharaha mamoritra entin'ny filoha tanzaniana John Magufuli ilay mpanora-baovao mahaleotena Erick Kabendera. Omaly ny manampahefana niampanga azy amin'ny heloka ara-toekarena, saingy nilaza ny mpitsikera fa fanoratam-baovao ihany no hany "helony".

Tokony hampody ny fianakavian'ireo olona nampiasain'ny ISIS ve i Trinite sy Tobago?

Trinite sy Tobago no nahitana isan'ny mpiadin'ny ISIS betsaka tany amin'ny ilabolantany andrefana. Tsy maintsy manapa-kevitra ankehitriny ny firenena raha hampody ireo niankina tamin'ny mpiadin'ny ISIS ireo na tsia.

Tantaran'ny mpampianatra iray ao Gaziantep, tanànan'ireo Siriana mpitsoa-ponenana ao Tiorkia

Fanadihadiana iray tao Gaziantep, tanana iray any amin'ny sisintany siriàna : ny andavanandro sarotra, tantaraina amin'ny alalàn'ny mason'ny vehivavy italiana iray mpampianatra, mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny ONG iray ao an.toerana.