
Oram-batravatra niteraka safodrano sy tondra-drano tany Kerala, India tamin'ny volana Aogositra 2018. Pikantsary tao amin'ny Youtube, lahatsary avy amin'i MK Madhuvana.
Niatrika ny tondra-drano ratsy indrindra nitranga tao anatin'ny 100 taona ny fanjakana any atsimo andrefan'i India Kerala. Efa tafakatra ho 400 ny isan'ny maty raha mbola maro kosa no miandry ny famonjena azy ireo.
Olona maherin'ny 800.000 no nafindra toerana tany amin'ny tobin'ny traboina manodidina ny 4.000 teo ho eo manerana ny distrika miisa 14. Satria mbola mitohy ny faharavana ateraky ny tondra-drano mandritra ny roa herinandro misesy dia niova ho fangatahana fanampiana, hetsika ary fanohanana ny fangataham-bavaka.
Mampiseho ny halehiben'ny faharavana ity horonantsary Youtube natambatambatra avy amin'ny TLOI Academy ity :
Maro ny traboina voafandriky ny oram-batravatra izay efa nahazo fanohanana avy amin'ny olona manerana izao tontolo izao noho ny fikambanana izay namory mpilatsaka an-tsitrapo sy mpanome fanampiana tamin'ny fananganana toerana hanangonana fanomezana tany amin'ny tanàndehibe maro, anisan'izany Mumbai, Delhi, Pune, ary Bengaluru.
Nampiasa ny media sosialy izy ireo mba hampiroboroboana sy hanaparitahana ny fanairana ary nanao antso amin'ny fanangonana sakafo, fitaovana amin'ny fidiovana, fitaovana ampiasain'ny zazakely, fitaovana amin'ny fadim-bolana, ary fitafiana maina. Nahazo fanohanana avy amin'ireo olo-malaza ao amin'ny media sosialy, ireo mpilalao sarimihetsika, ary ireo mpanao hatsikana izay nandefa antso ho an'ny malala-tanana ity fanentanana ity .
Nandefa antso ho an'ireo olona any Bengaluru (Bangalore) i Nivin Pauly, mpilalao sarimihetsika Keralite:
Calling all my friends in #Bangalore for support! Our friends are collecting these items on Tuesday and Wednesday to distribute it to various relief camps in #Chengannur! Please spread this! @twtnishad #KeralaFloods#StandWithKerala#KeralaFloodRelief pic.twitter.com/A02JMGjmlE
— Nivin Pauly (@NivinOfficial) August 20, 2018
Miantso ireo namako rehetra any Bangalore aho amin'ny fanohanana! Nanangona ireo fitaovana ireo tamin'ny Talata sy Alarobia ny namantsika mba hizarana izany any amin'ireo tobin'ny traboina isankarazany ao Chengannur! Miangavy anao mba hanaparitaka ity antso ity!
Nanangana tranonkala mba ahafahan'ny mpisera manolotra fanomezana ho an'ny Tahirim-bolam-panampian'ny Lehiben'ny Minisitra ao Kerala ny sehatra toy ny PayTM sy ny Amazon.in:
We are happy to share that we have crossed INR 30 Crore in contributions in under 4 days, from over 12 lakh Paytm users for #KeralaFloodRelief ?
Let’s keep going.#IndiaForKerala ??
— Paytm (@Paytm) August 20, 2018
Faly izahay mizara aminareo fa efa nahangona 30 tapitrisa roupies ho fanomezana tao anatin'ny 4 andro, avy amin'ny mpisera maherin'ny 120.000 noho ny tondra-drano ao Kerala.
Tohizo hatrany.
Nampiasa ny fitaovana Fanangonam-bola ao amin'ny Facebook ny mpisera aterineto mba hanangonam-bola ho an'ny Tahirim-bolam-panampian'ny Lehiben'ny Minisitra ao Kerala.
Araka ny tatitra tato amin'ny Global Voices, ahafahan'ireo mpamonjy voina mitady ireo niharam-boina amin'ny alàlan'ny fanasongadinana ireo toerana mila famonjena ny rindrambaiko mpitsongo-dia Google:
Our thoughts are with those in Kerala. Help track missing people with #personfinder: https://t.co/8EECLFpCqv #KeralaFloods pic.twitter.com/mo9VM3Uph4
— Google India (@GoogleIndia) August 16, 2018
Miaraka amin'ireo any Kerala ny eritreritray. Ampio ny fitadiavana ireo olona tsy hita popoka miaraka amin'ny rindrambaiko mpitsongo-dia
Namoaka taratasy fenoina an-tserasera ho an'ireo niharam-boina mba hamantarana izay fanampiana ilainy sy ny antsipiriany momba ny toerana handefasana izany ny fikambanana sasany.
Namokatra lahatsary manazava ny fomba hanampiana ireo voafandrika sy voakasiky ny tondra-drano any Kerala ny Fifanakalozan-kevitra Buzzfeed.
Kerala's flood heroes: Meet the team that managed an 8000 strong relief camp in Aluva. No power, not much food, no water. How did they manage? https://t.co/mpVvdrwvQf
— Dhanya Rajendran (@dhanyarajendran) August 20, 2018
Ireo maherifon'ny tondra-drano tany Kerala: Fantaro ny ekipa izay nahavita nanangana tobim-panampiana maherin'ny 8000 tany Aluva. Tsy nisy herinaratra, tsy betsaka ny sakafo, tsy nisy rano. Ahoana ny fomba nanaovan'ireo izany ?
Raha mbola mitombo ny isan'ny maty dia nanao ezaka ny fikambanana sy ny tsirairay mba hamonjena ihany koa ireo biby fiompy. Namoaka lahatsoratra mangataka ny olona mba hampahafantatra azy ireo ny toerana misy ireo biby izay voafandrika ao Kerala mba hahafahan'ireo ekipa mamonjy ireo biby ny Humane Society International, fikambanana mpiaro ny biby:
No act of kindness, no matter how small, is ever wasted. – Aesop #KeralaFlood pic.twitter.com/rFv2MgkX6G
— Psychedelic Pictures (@PsychdelicPics) August 20, 2018
Tsy hanenenana ny fihetsika feno hatsaram-panahy, na kely toy inona aza.
Nanome lakana kely ireo mpanjono ao Kerala nandritra ny hetsika famonjena. Tao anaty sioka iray, nanambara ny Biraon'ny Lehiben'ny Minisitra ao Kerala fa omena valisoa ireo mpanjono ireo, anisan'izany ny fanonerana ny fahasimbana:
CM Pinarayi Vijayan announced that the Government will honor fishing workers who were part of the rescue mission. All boats will be granted ₹3000 for each day of their work. The government will also bear the repairing costs of boats damaged during the mission. #KeralaFloods
— CMO Kerala (@CMOKerala) August 19, 2018
Nanambara ny Praiminisitra Pinarayi Vijayan fa homen'ny governemanta voninahitra ireo mpanjono izay anisan'ny nandray anjara tamin'ny famonjena. Homena 3000 roupies isan'andro noho ny asany ny lakana kely rehetra. Hiantoka ny fanamboarana ny simba tamin'ny lakana kely nandritra ny famonjena ihany koa ny governemanta
Nambaran'ny governemanta Indiana fa “loza voajanahary henjana” ny tondra-drano. Raha nanohy ny fanavotana ireo olona an'arivony raikitra tao an-toerana ny governemantan'i Kerala dia efa nanomboka ny ezaka fanarenana ho an'ireo voavonjy sy ireo nafindra toerana ankehitriny ihany koa izy ireo .
Ny Talata 14 Aogositra no nahitana ny fiaramanidina ara-barotra nipetraka voalohany tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen'i Cochin roa herinandro taorian'ny nahataran'ny sidina sy ny fanakatonana ny fifamoivoizana. Nandefa vonjimaika ny sidiny tany amin'ny seranam-piaramanidin'ny tafika ao Cochin ny orinasa-pitaterana an'habakabaka sasany.
Namela fako sy atsanga niangona nanerana ireo tetezana sy ny lalana ny fihenan'ny rano tany amin'ny faritra manodidina .
Raha nanomboka nitsahatra ny oram-batravatra tao Kerala dia nirongatra ny vaovao faikany sy ny tranokalan'ny fanomezana sandoka, ka nahatonga ny fisavoritahana tamin'ny fanomezana fanampiana ho an'ireo izay tena mila izany indrindra.
Tao amin'ny lahatsary iray nivezivezy tao amin'ny aterineto dia nilaza ny lehilahy iray nitafy fanamian'ny tafika fa hanome vaovao momba ny asa famonjena nataon'ny miaramila tany Kerala izy. Namoaka sioka ny birao foibe misahana ny fahalalaham-baovaon'ny tafika Indiana nanazava fa tsy manamboninahitra ofisialy ao amin'ny tafika ity lehilahy ity ary nanely vaovao diso ny lahatsary:
Imposter wearing Army combat uniform in video spreading disinformation about rescue & relief efforts. Every effort by all & #IndianArmy aimed to overcome this terrifying human tragedy.Forward disinformation about #IndianArmy on WhatsApp +917290028579. We are at it #KeralaFloods pic.twitter.com/ncUR7tCkZW
— ADG PI – INDIAN ARMY (@adgpi) August 19, 2018
Mpisandoka nitafy fanamian'ny Tafika ao amin'ny lahatsary nanaparitaka vaovao diso momba ny famonjena sy ny ezaka fanampiana. Mikendry ny hamaha ity loza mahatsiravina atrehin'ny olombelona ity ny ezaka rehetra nataon'ireo Tafika Indiana rehetra. Ilazao fisian'ny vaovao diso momba ny Tafika Indiana ao amin'ny WhatsApp +917290028579. Miasa ao amin'izany izahay.
Kerala is striving together as a fraternity to overcome the catastrophic flood. However, we have noticed that some are trying to malign this great effort with misinformation in the form of fake messages on social media. #KeralaFloods pic.twitter.com/1dVXF0gyot
— CMO Kerala (@CMOKerala) August 20, 2018
Nanao ezaka fiaraha-miasa i Kerala ho firaisankina handresena ny tondra-drano mahatsiravina. Na izany aza dia nahamarika izahay fa niezaka nisompatra izany ezaka goavana izany ny sasany tamin'ny fampahalalam-baovao diso amin'ny endrika hafatra sandoka tao amin'ny media sosialy.
Nampikorontana ny fizotry ny fanomezana ny ahiahy momba ny fizarana kaonty nitonona ho fametrahana kaonty manokana amin'ny tahiry fanangonam-bola ho an'ny Tahirim-bolam-panampian'ny Lehiben'ny Minisitra tao Kerala. Tamin'ity raharaha ity dia nenjehin'ny polisy tao Kerala ilay lehilahy nanaparitaka ny kaontiny manokana ho an'ny olona mba handefasana vola.
Raha mbola nitohy ny asa famonjena dia namoaka fanairana mena tany amin'ny ankamaroan'ny fanjakana any Kerala ny Sampan-draharaha Indiana misahana ny Toetr'andro. Efa nitsahatra ny orana tany amin'ny faritra sasany saingy nilaza ny mpamantatra ny toetr'andro fa mbola hitohy any amin'ny distrika miisa efatra mandritra ny herinandro ny orana.
That smile ! 🙂 With a confidence and poise!
He has lost everything,
But still believes
He can stich together,
A new life ! ? #KeralaFlood pic.twitter.com/3gzMWqgGiG— $ushilkhairnar (@sushilkhairnar) August 20, 2018
Izany tsiky izany! 🙂 Miaraka amin'ny fahatokisana sy fahatoniana!
Very zava-drehetra izy,
Saingy mbola manantena
fa hisy ny,
Fiainana vaovao!